PolitikaSongadim-baovao

FIHAONANA AN-TAMPON’NY « COI »: « Tsy ekena raha olom-bitsy no hanimba endrika an’i Madagasikara », hoy ny Filoha

Manoloana ny fanomanana ny Fihaonana an-tampon’ny eo amin’ny Vondron’ny Ranomasimbe indiana, hotanterahina amin’ny herinandro eto Antananarivo, dia naneho ny heviny ny Filoha Andry Rajoelina omaly, tetsy Mandroseza. Nasongadiny fa tsy ekena ny fanakorontanana ataona olom-bitsy, izay andeha hanimba ny endrik’i Madagasikara. Amin’ny fomba hafa no hoentina hanoherana, any amin'ny fitondrana hevitra mety hampandrosoana ny firenena, fa tsy hitondra hevitra hanakorontanana…

Naneho ny heviny momba ny fanomanana ny Fihaonana an-tampony eo amin’ny Vondron’ny Ranomasimbe indiana ny Filoha Andry Rajoelina, omaly. « Fantatsika tsara fa ny mampiavaka ny Malagasy dia ny fahaizana mandray vahiny. Tsy misy izay tsy miloa-bava hoe hafa mihitsy ny fandraisan’ny Malagasy. Ankehitriny, manoloana ny fanambarana ataon’olombitsy dia mipoitra ny sarontavan’izy ireo. Satria manitsakitsaka ny soatoavina, ny fifanajana », hoy izy nanazava. « Aiza eto an-tany no hisy firenena hoe andro iray hisy vahiny izany, dia hampirisika ny olona any amin’ny zavatra tsy tokony hatao na hihoa-pefy ireo milaza fa mpanohitra eto Madagasikara. Izaho manokana aloha dia miteny hoe ny Malagasy iray manontolo dia mahay mandray vahiny. Ao anatin’ny fifanajana ary ao anatin’ny tena firaisan-kina sy ny fanajana ny soatoavina malagasy », hoy ny Filoha.

« Efa niteny ny Mpitandro filaminana ary izaho dia miray feo amin’izy ireo hoe, tsy ekena ny fanakorontanana.  Tsy ekena hoe olom-bitsy no andeha hanimba ny endrik’i Madagasikara. Tsy ekena mihitsy izany. Any amin’ny fomba hafa no hoentina hanoherana, any amin’ny fitondrana hevitra mety hampandrosoana ny firenena, fa tsy hitondra hevitra hanakorontanana ny firenena », hoy hatrany ny Filoha Rajoelina. Nisaorany ireo olona rehetra, na olon-tsotra na orinasa, izay an-tsitrapo nandray anjara ao anatin’ny fandraisana ireo Filohampirenena miisa dimy ho avy eto Madagasikara, indrindra fa eo koa ny filohampirenena Emmanuel Macron, izay hanao  fitsidihana ara-pomba ofisialy.

Tombontsoa marolafy…

Nanterin’ny Filoha Andry Rajoelina fa rehefa misy fihaonana tahaka izao, dia misy fifanarahana hatrany tsy maintsy hosoniavina, ary marobe ny zavatra nangatahantsika tany. Manana trosa amin’i Frantsa i Madagasikara. Dia ao no hodinihina hoe, ahoana no hanaovana io trosa io ? Mety misy ny atao hoe famafana amin’ny ampahany ilay trosa. Mety koa tsy ho aloa any amin’ny zareo intsony ilay trosa fa hoentina hanaovana tetikasa. Misy firenena manao izany amintsika amin’izao fotoana izao.

Inona no tombontsoa mety ho azo ihany koa? Ao anatin’io no hanaovana ny fifanarahana hanamafisana ny fifandraisana amin’ny firenena iray. Inona no angatahantsika amin’ny Frantsay?  Ohatra, ny resaka fampianarana, ary anisan’ny angatahina ny hanamafisana sy hampatsara ny kalitaon’ny fampianarana eto amintsika, indrindra ny fampianarana amin’ny ambaratonga ambony. Eo amin’ny sehatry ny famokarana angovo, manana olana isika ary izay no mahatonga teo Mandroseza, ohatra. Inona no azo hanampian’ny Frantsay, na hanome fanampiana ara-bola, na hanampy ara-teknika ao anatin’ny fanaovana barazy ? Ary hisy sonia ho atao amin’izany.

Fanalalahana sy fahafahana mivezivezy

Mikasika io Fihaonana an-tampon’ny Vondron’ny Ranomasimbe indiana hatrany,  misy zavatra maro angatahina. Anisan’izany ny fanalalahana ny fahafahana mivezivezy, na ny olona na ny fifanakalozana ara-barotra. Ankehitriny tsy mila « visa » mankany Maorisy, Seychelles, fa ny mankany La Réunion, mbola mila visa. Eo izany no zavatra hiadiana, ireo olona izay manana ny antony amin’ny fifanakalozana na ara-koltoraly na ara-barotra, ireo artista izany, na ireo hanatrika « salon » na « foire », na ireo mpandraharaha, na ireo olona manana ny antony manokana tokony havela andeha mivezivezy, tsy ankasarotana ny andehanana mankany amin’ny Nosy La Réunion.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer