PolitikaSongadim-baovao
FIHAONANA AN-TAMPONY FAHA-23 COMESA : Nojerena ny paikady iraisana hampivoarana ny sehatra ara-toekarena sy ara-barotra
Nimasoana mandritra ny Fihaonana an-tampony faha-23 an'ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana eo anivon’ny Comesa, afakomaly, ny fijerena ny paikady iraisana hampivoarana ny ara-barotra sy ny ara-toekarena. Ny hampiroboroboana ny fifandraisana ara-barotra manoloana ireo ambana maneran-tany, indrindra ny fiovaovan'ny toetrandro. Nasongadin'ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fandraisam-pitenenany fa hatao laharam-pahamehana ny fitadiavam-bahaolana maharitra sy maty paika hanalana ireo sakana rehetra, hahafaha-mitondra fivoarana sy fampandrosoana amin'ny fifanakalozana ara-barotra sy fampandrosoana ny toekarena eo amin'ny faritry ny Comesa....
Notontosaina tao amin’ny Palais Présidentiel Kiriri, ao Bujumbura renivohitr’i Burundi ny Fihaonana an-tampony faha-23-n’ireo Filoham-pirenena sy filoham-panjakana mikambana eo anivon’ny COMESA. Nitarika azy ireo ny filohan’i Burundi Evariste Ndayishimiye izay mandray ny fitantanana ny COMESA nanomboka afakomaly. Nanamarika ity fihaonana ity rahateo ny fifamindram-pitantanana eo amin’ny filohan’i Zambie Hakainde Hichilema, filohan’ny COMESA teo aloha sy ny filohan’i Burundi Evariste Ndayishimiye izay mandray ny fitantanana izany Vondrona izany manomboka izao. Teo koa ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny COMESA izay nomarihana tamin’ny hetsika ara-kolotoraly sy ny fanehoana ampahibemaso ny sainan’ireo firenena mpikambana. Nandritra ny lanonam-panokafana koa no notanterahina ny lanonana fizarana ny loka sy mari-pankasitrahana ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny fifaninanana » Prix des Médias du COMESA » sy ny loka » Outstanding Real Leather, Stay different Africa » izay nifaninanan’ireo orinasa madinika sy salantsalany fanta-daza amin’ny famoronana sy ny fikarohana. Ankoatra ny Filoha Andry Rajoelina dia isan’ireo vahiny manan-kaja nanatrika izao fihaonana an-tampony izao koa ny filohan’i Zambie, RDC, Kenya, Éthiopie, ny filohan’ny Antenimierampirenen’i Gambie sy Ouganda, ny Praiminisitra Burundi sy Dzjibouti ary Swatini, ary ny Praiminisitra lefitr’i Somalie. Teo koa ny filohan’ny Kaomisiaon’ny Vondrona Afrikanina Moussa Faki Mahamat, ny solontenan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD), ny kaomisiaona ara-toekarena ho an’i Afrika ary ireo solontenan’ny fikambanana iraisam-pirenena maro miasa amin’ny sehatra rejionaly sy iraisam-pirenena. Anisan’ny tanjona sy vontoatin’ ny fivoriana faha-23-n’ ny COMESA natao tany Bujumbura ity ny hanamafisana sy fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena mikambana eo anivon’ny COMESA. Nojerena ny paikady iraisana hahafahana mampivoatra ny sehatra ara-toekarena sy mampiroborobo ny fifandraisana ara-barotra manoloana ireo ambana maneran-tany, indrindra ny fiovaovan’ny toetrandro. Eo koa ny fanafainganana ny Vondron-tendrom-paritra (intégration régionale) amin’ny alalan’ny fampivoarana ireo rojom-pihariana eo amin’ny sehatry ny fambolena mahatohitra ny ambana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ny harena an-kibon’ny tany ary ny fizahantany.
Taorian’ny lanonana nandraisan’ny filohan’i Burundi ofisialy ny fitantanana ny COMESA dia ny Filoha Andry Rajoelina no nomena fitenenana voalohany. Tsy nohadinoany ny nisaotra ny filoha Evariste Ndayishimiye noho ny fandraisana sy fampiatranoana izay fihaonana an-tampony izao, ary koa niarahaba sy nirary soa ity farany noho ny fahalaniany hitantana ny COMESA. Zava-dehibe tokoa izao fihaonana izao satria ireo sehatra voatanisa amin’ny lohahevitra nodinihina dia antoky ny fahombiazan’ireo fanamby goavana apetratsika, hoy izy, raha nampatsiahy ny maha zava-dehibe ny fambolena, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny fizahantany amin’ny fampandrosoana an’i Afrika. 80% ny vahoaka malagasy dia mivelona amin’ny fambolena ankehitriny ary araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena teto dia 36 tapitrisa hekitara ny tany mahavokatra aty Madagasikara. Tanjona, araka izany, ny hamerina ny firenena ho sompitra ara-barin’i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana.
2 tapitrisa ny karatany nozaraina…
Ankehitriny dia manao ny ezaka rehetra i Madagasikara hanatrarana ny « transformation agricole », hoy ny Filoha, ka tafiditra anatin’izany ezaka izany ny fampiroboroboana ny voly vary safiotra na « riz hybrides » hahafahana mampiakatra ny vokatra hatrany amin’ny 10 taonina isaky ny hekitara raha 3 taona isaky ny hekitara monja ankehitriny. Raha niady ho an’ny fahaleovantena isika tany aloha, ankehitriny kosa, dia mitohy ny ady ataonay ho fanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo, hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina. Mba hanatrarana izany tanjona izany dia ilaina ny fanamorana ny sehatry ny fananan-tany. Ho an’i Madagasikara manokana dia mahatratra 2 tapitrisa ny karatany nozaraina mba hahafahan’ny 40% ny vahoaka malagasy manana tany hivelomana. Notanisain’ny Filoha teto ihany koa ny tetikasa « Titres verts », izay miompana amin’ny fizarana tany 1 hekitara ho an’ireo tanora maniry hiditra amin’ny sehatry ny fambolena.
Anisan’ny kitro ifaharan’ny toekarenan’i Madagasikara koa ny sehatry ny fizahantany satria miantoka ny 25% ny PIB. Notanisain’ny filoha Andry Rajoelina teto ireo harena ara-voajanahary maro mampiavaka an’i Madagasikara. Maro, araka izany, ireo tetikasa goavana hirosoan’i Madagasikara. Raha tsy hitanisa afa-tsy ny fametrahana trano fandraisam-bahiny goavana sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Nanamafy ny Filoha malagasy teto fa vonona hatrany i Madagasikara hiara-dalana amin’ny COMESA amin’ny fanatanterahana ireo tsoa-kevitra rehetra tapaka mandritra ity fihaonana an-tampony ity. Nanao antso avo amin’ireo mpitondra firenena eto anivon’ny COMESA koa ny tenany, mba hanao laharam-pahamehana ny fitadiavana vahaolana maharitra sy maty paika hanalana ireo sakana rehetra, mba hahafahana mitondra fivoarana sy fampandrosoana amin’ny fifanakalozana ara-barotra sy fampandrosoana ny toekarena eto amin’ny faritry ny COMESA.
Nangonin’i Rado Harivelo




