PolitikaSongadim-baovao
FIHAONANA AN-TAMPONY FRANKOFONIA ANDIANY FAHA-19: Manan-danja amin’ny fandresen-dahatra ara-diplomasia ny teny frantsay
Nosokafana omaly tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Cité Internationale de la langue française ao Villiers-Cotterets ny fihaonana an-tampony Frankofonia andiany faha-19. Isan’ireo Filoham-pirenena nasaina, noraisin’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny Sekretera Jeneralin’ny OIF, Louise Mushikiwabo voalohany teo am-pahatongavana ny Filoham-pirenena malagasy. Ny filohan’ny COI, Edgard Razafindravahy koa dia tonga miatrika ity fihaonana an-tampony ity.
Nosokafana omaly tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Cité Internationale de la langue française ao Villiers-Cotterets ny fihaonana an-tampony Frankofonia andiany faha-19 ity. Ny Filoha frantsay Emmanuel Macron sy Rtoa vadiny ary ny Sekretera Jeneralin’ny OIF, Louise Mushikiwabo no nandray ireo vahiny tonga nanatrika ny fanofakana ny fomba ofisialy ny Fihaonana an-tampony faha-19 ny Frankofonia ity. Ireo Filoham-panjakana, Filoham-pirenena, Lehibena Governemanta, Tomponandraikitra amina Vondrona Iraisam-pirenena tonga nanatrika izany. Tamin’ny 12 ora 30 mn katroka no nigadona manoloana ny Lapan’i Villiers-Cotterets ny Filohan’i Repoblika Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny. Isan’ireo Filoham-pirenena nasaina, noraisin’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny Sekretera Jeneralin’ny OIF, Louise Mushikiwabo voalohany ny Filoham-pirenena malagasy. Ny filohan’ny COI, Edgard Razafindravahy koa dia tonga miatrika ity fihaonana an-tampony ity.
Ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron no nikabary voalohany nandritra ny lanonana fanofakana ny fihaonana an-tampony Frankofonia, andiany faha-19 ity. Nandimby azy avy eo ny Sekretera Jeneralin’ny OIF, Louise Mushikiwabo ary namarana ny Praiminisitra Toniziana. Nisongadina tamin’ny kabarin’ny filoha frantsay ny filazany hoe : « mampiray Firenena na vondrona Firenena maro ny teny frantsay ». Nomarihany sy nalainy ohatra tamin’izany fa : « mampiray an’ireo Firenena aty amin’ny Ranomasimbe Indiana ahitana an’i Madagasikara, Maorisy, La Réunion ary Kaomoro ny teny frantsay ». Ankoatra izay, ny teny frantsay, araka ny kabariny, dia : « sehatra ifanakalozana sy hifanomezam-baovao, ampiasaina amin’ny famoronana, ifandraharaha ara-toekarena, entina ary entina mampianatra ». Araka ny kabary ihany : » ny teny frantsay dia manan-danja amin’ny fandresen-dahatra ara-diplaomasia manerana an’izao Tontolo izao » satria ireo kaontinanta miisa 5 ao anton’izao tontolo izao dia ahitana Firenena mivondrona ao amin’ny OIF avokoa ».
Hametraka paikady marolafy…
Notsindrian-Ramatoa Louise Mushikiwabo, Sekretera Jeneralin’ny OIF mazava, tamin’ny kabariny fa : » ny Frankofonia dia fianakaviambe iray mampiroborobo ny teny frantsay. Porofon’izany, ahitana Firenena miteny frantsay avokoa ny kaontinanta miisa dimy manerana izao tontolo izao ». « Ny tanjon’ny OIF dia hametraka paikady marolafy, tsy misy fanilihana firenena. Isan’ny laharam-pahamehana ny fanomezan-danja ny fahaleovantena vehivavy amin’ireo tetikasa hiaraha-miasa amin’ny OIF », hoy Ramatoa Louise Mushikiwabo. Nohamafisiny fa : « mahavelombolo ny dingana vita ao anatin’ny fianakavimben’ny Frankofonia. Isan’ireny ny fampirisihana an’i Djibouti sy i Madagasikara, izay Firenena ao anatin’ny Vondron’ireo Firenena mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay, handray anjara amin’ny fifidianana filohan’ny Kaomisionina Afrikanina. Namarana ny kabary na fandraisam-pitenenana tamin’ity lanonana ity ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Toniziana Kamel Maddouri. Izy no nisolo tena ny Filoha Toniziana izay filoha nitantana teo aloha. Narahana fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Toniziana sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Frantsay izany. Izany hoe, ao anatin’ny 2 taona manaraka izany, dia ny Filoha frantsay Emmanuel Macron indray no filoha mpitantana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia
Filoham-pirenena miisa 21…
Tomponandraikitry avy amina Firenena Frankôfôna, mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay anjatony no tonga manatrika ity Fihaonana an-tampony faha-19 ny Frankofonia ity. Filoham-panjakana sy Filoham-pirenena miisa 21 sy Lehibena governemanta miisa 10 ary filohana Vondrona Iraisam-pirenena miisa fito no tonga miatrika an’ity Fihaonana an-tampon’ny Frankofonia ity. Isan’ireny ny filohan’ny COI, ny Prince de Monaco Albert II, Filohan’i Rwanda Paul Kagame, ny Filohan’i Côte d’Ivoire, Alassane Ouattara, ny Filohan’i Guinne Bissau Umaro Sissoco Embalo ary ny Praiminisitra Kanadiana Justin Trudeau. Tsy tonga nanatrika izao fihaonana an-tampony izao ny Filohan’i Tunisie Kaïs Saïed fa ny Lehiben’ny Governemanta Tunisien Kamel Maddouri no nisolo tena azy. I Kaïs Saïed anefa no filohan’ny Sommet de francophonie andiany faha-18 teo. Noho ny maha-kandida Filoham-pirenena any Tunisie amin’ny fifidianana 6 Oktobra 2024 no anton’ny tsy nahatonga azy, araka ny fanazavan’ny Lehiben’ny Governemanta Tonizianina.



