PolitikaSongadim-baovao

FIHAONANA AN-TAMPONY MOMBA NY ANGOVO: Any Tanzanie ny Filoha Andry Rajoelina

Nigadona any Dar Es Salam, Tanzanie, omaly tolakandro ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina handray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena momba ny angovo « Mission 300″. Ny « ministre des investissements » an-ndry zareo Tanzanie no nitsena azy teny ampahatongavana. Marihina fa ny Banky iraisam-pirenena sy ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana no mikarakara ity fihaonana lehibe ity izay mikendry ny hanomezana herinaratra ho an’olona 300 tapitrisa aty Afrika hatramin’ny taona 2030.

Manodidina ny 1000 ny mpandray anjara amin’izany fihaonana izany, izay ahitana filoham-pirenena, minisitra, fikambanana iraisam-pirenena, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Hivoaka mandritra ity fihaonana an-tampony ity ny Fifanarahana Afrikanina ho an’ny angovo (Pacte Africain pour l’énergie) sy ireo fifanarahana momba ny angovo nasionaly (Pacte nationale pour l’énergie) izay hamaritra ireo tanjona momba ny angovo mila tratrarin’ny firenena tsirairay.

Araka ny fantatra dia feno avy hatrany ny programany mandritra ny fivahinianana any an-toerana satria omaly hariva dia nisy sahady ny fihaonana tamin’ny « Premier ministre » an’ny Côte d’Ivoire sy ny président Guinée-Bissau. Anio dia hanatrika ny fihaonana an-tampony ny Filoha. Any an-toerana miaraka amin’ny Filoha Andry Rajoelina amin’izao diany izao ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison sy ny Minisitry ny Angovo Olivier Jean-Baptiste. Manararaotra izao fihaonana an-tampony izao moa ny filoha Andry Rajoelina manohana ny firotsahan’i Richard Randriamandrato izay Kandidà atolotr’i Madagasikara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Kaomision’ny Vondrona Afrikanina.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer