PolitikaSongadim-baovao

FIHAONANA TAMIN’NY GOVERNEMANTA : Nitondra ny fitarainan’ireo Ben’ny tanàna ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy

Nifanatrika mivantana tamin'ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta ny Loholon'i Madagasikara, Rakotondrazafy Lalatiana Henriette, omaly. Tamin'izany no nampitàny ampahibemaso tamin'ireo Mpanatanteraka isan-tsokajiny ny fitarainana sy ny hetahetan'ireo Ben'ny tanàna sy ny vahoaka eny ifotony hikaroham-bahaolana, amin'ny maha Mpiahy ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny tenany, eto amin'ny Faritra Analamanga…

Ankoatra ny fametrahany ireo olana eny ifotony izay nentiny sy nitondrany fanazavana misimisy kokoa, dia nisy koa ny fametrahany fanontaniana nangatahany fanazavana misimisy mikasika ny olana iainan’ny vahoaka ankehitriny eto Antananarivo, mikasika ny maharary ny vahoaka amin’izao fotoana. Anisan’izany ny fahatapahan-jiro lavareny. Raha ny mikasika ny fitarainan’ireo Ben’ny tanàna nampitàny, dia niatefa tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta. Teo koa ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Raharaham-bahiny, ny Fitsarana, ny Fanapariaham-pahefana sy ny Fanajariana ny tany, ny Toekarena sy fitantanam-bola, ny Fahasalamam-bahoaka, ny Atitany, ny Fampianarana ambony sy ny Fanabeazam-pirenena, sns.

Anisany nisongadina tamin’ny fangatahan’ireo Ben’ny tanàna sy ny vahoaka ifotony nentin’ny Loholona Lalatiana Henriette Rakotondrazafy tamin’izany, ohatra, ny mikasika ny tsy fanomezana toerana ny antoko manohana ny Filoham-pirenena any amin’ny Faritra sasan-tsasany. Teo koa ny fanamparam-pahefana fanaon’ireo Mpitandro filaminana mamita iraika any ambany ravinkazo rehetra any. Teo amin’ny lafiny fitsarana dia nofongarin’ny Loholona ity ny mikasika ireo roa lahy izay voarohirohy sy naiditra am-ponja ary migadra mandra-pahafaty, mikasika ilay raharaha fanolanana sy fandrobana tao amina tranon-dRelijiozy tao amin’ny faritra Antsirabe, taona maro lasa, ary ny resaka famonjana Ben’ny tanàna. Teo amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena moa, dia nohamafisin’ny Loholona Lalatiana Henriette Rakotondrazafy, ny mikasika ny ezaka goavana nahatongavan’ireo karazana fahatokisana nandraisantsika fihaonana an-tampony, ary ny handraisantsika ny fihaonana an-tampony SADC afaka volana vitsy. Teo amin’ny lafiny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanam-bola, dia nangatahany manokana ny antony tsy mbola mampisy hatramin’izao ny fanampiana ara-bola ireo kaominina maromaro. Nanamarika moa ny Minisitra tompon’andraikitra tamin’izany, fa nihena ny teti-bola fanampiana ny Kaominina io, fa kosa efa nisy fandoavana ny desambra 2024, ary alohan’ity fankalazana ny faha-26 Jona ity dia ho feno avokoa izany ho an’ny kaominina rehetra. Raha ny valin’ny fangatahanm-panazavana nataon’ny Loholona ity, mikasika ny fanapahana ny jiro andalam-be sy ny hetra fandoan’ny mpanjifa amin’ny Jirama izay tsy tonga any amin’ny kaominina, dia nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, fa nanana famatsiam-bola avy banky iraisam-pirenena ny jirama manoloana ireo fampitaovana isan-karazany. Anisany fepetra notakian’ity mpiara-miombon’antoka ny tsy maintsy hanaovana « prépayée » ny Kaominina sy rafi-panjakana rehetra. Nanome toromarika anefa ny Praiminisitra, ny amin’ny tokony hijerena ny fanazavana ho an’ny daholobe eny andalam-be io. Mikasika ny ahiahin’ireo Ben’ny tanàna momba ny hetra miakatra amin’ny fanjakana indray, dia nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola fa mijanona ho an’ny Kaominina hatrany ny hetra avy amin’ny vondrombahoakamparitra itsinjarampahefana. Misy kosa anefa, voalaza fa tompon’andraikitra Ben’ny tanàna tsy manara-dalàna ao anatin’izay fomba fitantanam-bola izay. Nametraka teti-bola kosa, ny Famatsiam-bola momba ny fampandrosoana ifotony (FDL) hitety kaominina sy hampianatra ny fomba fitantanana izany, mba tsy hisian’ny ahiahy maro. Iarahana amin’ny foiben-ketra izany ho fanampina ny fomba fanangonan-ketra amin’io fanofanana io, raha ny fanazavana.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer