PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FIHAONANA TEO AMIN’NY FILOHA SY NY DELEGASION’NY FMI : Nojerena manokana ireo laharam-pahamehan’ny Politikam-panjakana
Nisy ny fihaonana arakasa niarahan'ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny delegasion'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), izay mamita iraka eto Madagasikara, omaly. Ny fitsirihana faharoa momba ny fandaharanasa « FEC » sy « FRD » no anton'ity fihaonana ity, izay nahafahana nifampizara ireo laharam-pahamehana amin'ny Politikam-panjakana sy ireo fepetra andrasan'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena.
Nisy ny fivoriana arakasa notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina niaraka tamin’ireo iraky ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly maraina. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny tombana mahakasika ny fanajana ny fepetra nifarahana amin’ny ireo tetikasa FEC na « Facilité élargie de crédit », sy FRD na « Facilité pour la résilience et le développement ». Nandray anjara tamin’ity fihaonana ity koa ny Praiminisitra Ntsay Christian, sy ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, ary ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo. Ho an’ny Tahirim-bola iraisampirenena, dia nitarika ny delegasiona i Constant Lonkeng, niaraka taminy i Kodjovi Eklou, solontena maharitry ny FMI eto Madagasikara, sy Constance De Soyres, mpahay toekarena eo anivon’ny FMI hatrany. Ny 2 aprily moa ireto iraky ny FMI ireto no nanomboka izany tombana izany, ary ny alatsinainy izao no ifarana izany. Hisy moa ny tatitra ho ataon’izy ireo any amin’ny Foiben’ny Tahirim-bola iraisampirenena aorian’izao tombana izao, ahafahan’ny Filankevi-pitantanany manapaka hevitra mahakasika famoahana ny ampahany manaraka, amin’ny tohana ara-bola ao anatin’ny tetikasa FEC sy FRD.
Raha ny fanazavan’i Constant Lonkeng dia amin’ny volana Jona izao no tokony hodinihina indray eo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny FMI ny mahakasika an’i Madagasikara. Raha tsiahivina, ny volana Jona 2024 no voatana ho isan’ireo firenena mahazo ny FEC sy ny FRD i Madagasikara. Maharitra 36 volana ny fifanarahana amin’ny fampiharana ireo tetikasa ireo, ary mitentina 663 tapitrisa dolara ny fitambaran’ny tohana ara-bola amin’izany. Tohana ara-bola izay tsy averina ary entina hanamafisana ny tetibolam-panjakana. Ny famoahana ny vola moa dia mandeha amin’ny ampahany, ary aoriana tombana ny fanapahan-kevitra mahakasika izany. Ny 26 febroary teo, ohatra, dia nahazo ampaham-bola 101 tapitrisa dolara i Madagasikara toarian’ny tombana, izay nataon’ireo iraky ny FMI nanomboka ny volana oktobra 2024.
Hamoahana didim-panjakana ny vidin-tsolika
Raha ny FEC sy ny FRD kosa, araka ny nohazavain-dRabarinirinarison Rindra Hasimbelo, minisitry ny Toe-karena sy ny vola, dia teboka telo izay tsara tanterahina, mialohan’ny andinihina ny momba an’i Madagasikara ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny FMI. Ny voalohany dia ny tokony hamoahana didim-panjakana momba ny fanetsiketsehana ny vidin-tsolika isam-bolana, na ny antsoina hoe “Ajustement automatique des prix du carburant”. Dia miaraka amin’izay didim-panjakana izay dia tokony misy didim-pitondrana mamaritra ny fomba fikajiana ny tena vidiny ilay ampiharina eto Madagasikara.
Nanomboka ny 16 janoary lasa teo moa no nampiharina ity “Ajustement automatique des prix du carburant” ity. Izany mba ahatongavana tsikelikely amin’ny tena tokony ho vidiny, na ny “vérité des prix”. Tanjona moa dia ny ampitsaharana ny famatsiam-bola ataon’ny Fanjakana amin’izany vidin’ny solika izany. Araka izany, ho voahaja ireo teboka mahakasika ny solika, izay angatahan’ny FMI. Isan’ireo teboka ireo koa ny famoahana ny drafitra hanarenana ny Jirama. Ankoatra ny fanatsarana ny famokarana herinaratra sy ny tolotra ho an’ny mpanjifa dia imasoana amin’izany, araka ny fanazavan’ny minisitra Jean Baptiste Olivier, ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fidiram-bolan’ny orinasa.
Rado Harivelo




