PolitikaSongadim-baovao

FIHAONAN’NY DEPIOTE SY NY GOVERNEMANTA: Ho ambentin-dresaka ny lafiny Angovo, vidim-piainana, raharaha volamena

Araka ny voafaritra ao anatin’ny Fandaharam-potoan’ny Antenimieram-pirenena dia amin’ity anio ity no hotanterahina eny amin'ny CCI Ivato ny tatitry ny asan'ny Governemanta izay arahin'ny fifanatrehan’ny Solombavambahoaka sy ny Governemanta, hitohy hatramin’ny rahampitso ny Alarobia 29 jona. Tombanan’ny mpanara-baovao fa ho voaresaka betsaka mandritra ity fihaonana ity ireo lohahevi-dehibe marary ny vahoaka, toy ny lafiny Angovo, ny vidim-piainana, ary resaka volamena izay tsy mpitsahatra ny mahabe resaka hatrany.

“Isaky ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana voalohany no anoloran’ny Governemanta amin’ny Antenimierampirenena ny tatitra momba ny fanatanterahana ny fandaharanasany. Arahina adihevitra mahakasika ny asan’ny Governemanta sy ny fanombanana ny politikam-panjakana ny fanolorana. Ny fomba ampiasain’ny Antenimiera ahafantarany ny asa sahanin’ny
Governemanta dia ny fanontaniana am-bava, ny fanontaniana an-tsoratra, ny fanadinana
hentitra ary ny fampiasana ny vaomiera mpanao famotorana”, ireo no voalazan’ny Lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-101 sy 102. Mbola ao anaty fivoriana ara-potoana tanteraka ireo Solombavambahoaka ankehitriny, ary araka ny fandaharam-potoana dia amin’ity anio ity no hanaovan’ny Governemanta tatitra ny asa vita eo anoloan’ny Depiote. Fihaonana izay ho arahin’ny fametraham-panontaniana ilàm-baliny avy amin’ny Depiote. Eny amin’ny toeram-pivoriana iraisampirenana CCI Ivato no ho atao ny fihaonana, araka ny fampitam-baovaon’ny Antenimieram-pirenena omaly.

Vahaolana aroson’ny Governemanta

Eo anatrehan’ny fihazakazaky ny raharaham-pirenena ankehitriny, lohahevitra maro no andrasana mandritra ity fihaonana ity. Isan’ny misongadina indrindra kosa ny lafiny Angovo. Tsy misy tsy mikaikaika ny Vahoaka, indrindra ireo mponina eto an-drenivohitra amin’ny fahatapahan-jiro. Tahaka izany koa ny any amin’ny Faritra. Inona avy ireo asa sy vahaolana efa aroson’ny Governemanta? Fotoana iray, araka izany, ity fihaonan’ny roa tonta ity mba hahafahan’ny Depiote, izay solontenan’ny vahoaka, manontany mivantana izay asa efa ataon’ny Fanjakana manoloana izany olana izany. Fa fotoana koa io, hanazavan’ny Minisitra tomponandraikitra ireo asa efa atao manoloana ireo solontenam-bahoaka ireo.

Etsy ankilany, tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana, inona no vahaolana? Manangasanga koa izao fiakaran’ny vidin-tsolika, mety ho hatramin’ny ohatrinona izany? Rahoviana no mety hanomboka hihatra izany fiakarana izany? Ampahany amin’ireo fanontaniana iandrasam-baliny ireo mandritra ny fifanatrehana eo amin’ireto Fahefana roa ireto. Ankoatra izay, tsy vitsy koa ireo raharaha fanondranana antsokosoko volamena izay mbola tra-tehaka tato ho ato, ary tranga farany nahabe resaka indrindra ny fahaverezan’ny Volamena teo anivon’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany farany teo. Inona no tena marina mahakasika an’ireny? Aiza ho aiza ny fanadihadiana? Sy ny sisa. Ampahany ihany ireo, saingy azo antoka fa ho maro sady hafana ny adihevitra eny amin’ny CCI Ivato manomboka amin’ity anio ity.

Fermer