Songadim-baovaoToekarena
FIHAONAN’NY “FCEM” ETO MADAGASIKARA: Kendrena ny hahombiazan’ny orinasa tantanin’ny Vehivavy
Maro ireo fanamby atrehin’ny vehivavy mpandraharaha, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM), Fanja Razakaboana. Isan’izany ny fitadiavana lalam-barotra sy ny fahazoana loharanom-bola, izay olana tsy ho an’ny vehivavy mpandraharaha ihany fa ho an’ny mpandraharaha rehetra mihitsy, ary tsy eto Madagasikara ihany. Efa misy ny ezaka ataon’ny mpisehatra isan-tsokajiny hampivoarana an’izany, araka ny nambarany. Misy koa ny ezaka ataon’ny Fanjakana.
Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonan’ireo Komity maneran-tanin’ireo vehivavy lehiben’orinasa (FCEM), tanterahina etsy Alarobia. Nikarakara ny hetsika ny Komity manerantan’ireo vehivavy lehiben’ny orinasa (FCEM) notarihin’i Marie-Christine Oghly sy ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) notarihin’ny Filoha mpanorina Fanja Razakaboana.
Tanjon’ny fihaonana, araka ny fanazavana, dia fampifandraisana an’ireo vehivavy manerantany amin’ireo Vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara. Eo koa ny fijerena ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy ireo any amin’ny firenena misy azy avy. Jerena koa ny fomba hahafahan’izy ireo mampivoatra ny orinasany. Ankoatra izay, fotoana ihany koa ity fihaonana ity hizaran’ny Malagasy ny traikefany amin’ireo vehivavy mpandraharaha vahiny. Fifanakalozana no tanjona fa tsy fampianarana fotsiny, hoy ny fanazavana, ary kendrena ny hahombiazan’ny orinasa izay tantanin’ny Vehivavy. Vina ihany koa ny hisiana fiarahamiasa maharitra sy azo tsapain-tanana eo amin’ireo samy vehivavy mpandraharaha manerantany. Marihina fa maherin’ny firenena 20 no nahatonga solontena aty Madagasikara.
Diplomasia ara-toekarena
Avy amin’ny Governemanta malagasy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy an’ity hetsika ity omaly ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nambarany fa ny fandraisan’i Madagasikara an’ity hetsika ity dia tombony lehibe amin’ny fanatanterahana ny diplomasia ara-toekarena izay voizin’i Madagasikara. Tsy kisendrasendra ny fanatanterahana ny hetsika eto amintsika fa noho ny fahaizantsika mandresy lahatra sy ny haitarika ananantsika, hoy izy. Hahafahana mitady vahaolana ny fotoana toy izao. Marihina fa ao anatin’ny diplomasia malagasy dia ampiana ireo mpandraharaha malagasy amin’ny fitadiavana lalam-barotra. Ampiana koa amin’ny fisintonana mpiara-miasa ho an’ireo mpandraharaha malagasy, indrindra ireo maniry hanangana tetikasa iombonana amin’ireo mpandraharaha any ivelany.
Tsara ho fantatra fa mpanohana ity hetsika ity ny Yas Madagascar. Nambaran’ny tomponandraikitra avy amin’ny Yas Madagascar fa antony anohanan’izy ireo ity hetsika ity ny fampivoarana ara-toekarena izay aterany. Ny Yas Madagascar ihany koa dia manana ilay tolotra Yas Business izay manohana manokana an’ireo sehatra ara-toekarena tsy ankanavaka, ary azon’ny vehivavy mpandraharaha trandrahina tsara. Ny fanohanana ny vehivavy izay efa nataon’ny Yas Madagascar rahateo, hatramin’izay.



