PolitikaSongadim-baovao
FIHAONAN’NY FILOHA SY NY SOLONTENAN’NY FIRENENA MIKAMBANA : Lohalaharana momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo i Madagasikara
Mahatsapa sy mahafantatra tsara ny zava-misy iainana mikasika ny tsy fanjarian-tsakafo ny Filoha Andry Rajoelina, ary tsy mitazam-potsiny fa manana finiavana sy drafitrasa entina miady amin’ny izany. Io no nambaran’i Brieuc Pont, Sekretera jeneralin’ny fihaonana an-tampony « Nutrition for growth », taorian’ny fihaonany tamin’ny Filoha malagasy, omaly tolakandro teo, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Araka izany, nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Filoha Rajoelina, notronin’ny Minisitry ny Fahasalamana, minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny Sekreteram-panjakana ho an’ny fahaleovantena ara-tsakafo, sy ny Afsha Khan, sous-secrétaire générale des Nations Unies, ary i Brieuc Pont, ny sekretera jeneralin’ny fihaonana an-tampony « Nutrition for growth ». Isan’ireo nanatrika ity fihaonana ity koa i Abdou Dieng, Coordonnateur Résident eo anivon’ny Firenena Mikambana, Christine Jaulmes, solontenan’ny Unicef, Joseph Rostanf Olinga Biwole, Solontenan’ny FIDA eto Madagasikara, Mamadou Mbaye solontenan’ny PAM, Laurent Musango solontenan’ny OMS, ary Charles Boliko, misolo tena ny FAO eto Madagasikara, sy Arnaud Guillois, masoivohon’i Frantsa.
Araka ny nambaran’i Afsha Khan, dia nahafaha-nahatsapa ny finiavan’ny Filoha Rajoelina hiady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, sy ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’izany eto Madagasikara, ity fihaonana tao Iavoloha ity. Finiavana izay nankasitrahany manokana, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy. Hohamafisin’ny delegasiona malagasy handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony « Nutrition for growth », izay hotontosaina ao Paris, ny 27 sy 28 marsa ho avy izao izany fahavononana izany. « Hampisongadina an’i Madagasikara ho firenena lohalaharana amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izany fahavononana ary hohamafisiny ao amin’ny renivohitr’i Frantsa izany », hoy i Brieuc Pont. Tafiditra ao anatin’ny fitsidihany an’i Madagasikara, miaraka amin-dRamatoa Afsha Khan, sous-secrétaire générale des Nations Unies, sy mpandrindra ny “Mouvement pour le renforcement de la nutrition” na “Scaling Up nutrition”, izao fihaonana izao.
Fitsinjovana ny maha olona…
Nohamafisin’ny Sekretera jeneraly lefitry ny Firenena Mikambana fa lafiny iray lehibe amin’ny fitsinjovana ny maha olona ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ity farany izay isan’ny ireo Andry telo, fototr’ireo tanjon’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Niaiky ireo izay nihaona tamin’ny Filoha Rajoelina tao Iavoloha fa tena fanamby lehibe ho azy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Isan’ny napetraka ho laharam-pahamehana amin’izany ny tapany Atsimon’i Madagasikara, izay matetika iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Voalohany teo amin’ny tantara no nisy ny fivoriambe mikasika manokana ny fanarenana ny faritra atsimon’ny Nosy. Napetraka tamin’ireo distrika tena voakasiky ny hain-tany sy ny tsy fanjarian-tsakafo ny toby fanarenana ara-tsakafo CRNM. Nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ho fanambiny manokana koa ny fanamboarana ny « pipeline » lehibe ao Atsimo, izay ho vahaolana maharitra, hitondra rano ka hamelona sy hanondraka ny faritra atsimon’ny Nosy. Efa mandeha ny asa fanamboarana ny « pipeline » amin’izao, raha tsy nisy nanao izany taona maro. Mifampiankina, araka izany, ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Fandresen-dahatra…
Fotoana ahafahana manamafy ny ady sisika iraisam-pirenena ho an’ny fanohanana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny fihaonana an-tampony izay ho atao ao Paris, ny faran’ny volana marsa ho avy izao, araka ny fanazavan’i Brieuc Pont, indrindra manoloana ireo fanamby maro mifaningotra amin’izany, tahaka ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny Filoha Rajoelina moa dia isan’ireo niady manokana ny hisitrahan’i Madagasikara ny Tahirim-bola maitso, noho ny Firenena malagasy mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, izay tsy maha tomponandraikitra antsika akory. Nampiaiky manokana ireo Tomponandraikitra iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ireo, ny fananan’ny Filoha Andry Rajoelina politika manokana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Nangonin’i Rado Harivelo




