Songadim-baovaoToekarena
FIHARIANA ETO ANALAMANGA: Tanora maro mirona amin’ny tetikasa any amin’ny tontolo ambanivohitra
Mitana anjara toerana lehibe amin’ny famatsiana ny tsena anatiny eto amintsika ny fampitomboana ireo voka-pambolena avy any amin’ny tontolo ambanivohitra. Ho an’ny eto amin’ny Faritra Analamanga manokana, efa miha betsaka ireo tanora no liana amin’ny fanaovana tetikasa any amin’ny tontolo ambanivohitra, na eo amin’ny lafiny fambolena izany, na fiompiana, na koa Jono.
Fiompiana tantely, fiompiana trondro, fambolena ovy, legioma, vary,… ireo amin’ny ankapobeny no seha-pihariana mahaliana ny tanora eto amin’ny Faritra Analamanga ankehitriny. Niainga tamin’ny fiantsoana fifaninanana tetikasa nataon’ny teo anivon’ny FormaProd no nahafahana nitsirika ireo tanora manana tetikasa ireo. Araka ny fanazavana, efa tena manaraka ny teknikam-pambolena maoderina izy ireo amin’izany. Ny 65%-n’ireo tanora misehatra any amin’ny tontolo ambanivohitra dia mampiasa zezi-pahitra sy compost. Araka izany, tsara ny kalitaon’ny vokatra. Ary koa, efa voalamina ny handefasana ny vokatra. Ho an’ny vokatra avy ao amin’ny Distrikan’I Manjakandriana manokana, ny ao an-tampon-tanàna, hatrany Moramanga, sy amin’ireo kaominina manodidina no mandray ny voka-pambolena. Misy koa ireo vokatra no tonga hatrany Toamasina, toy ny vokatra voankazo, araka ny fanazavan-dRandriamanarivo Jean Marc, Mpikambana ny CRFAR eto amin’ny Faritra Analamanga.
Mifanindra an-dalana amin’ireo indrindra ihany koa ny tetikasa FormaProd izay miompana amin’ny fampiofanana ireo tanora nilaozan’ny fianarana. Eny anivon’ny sampan-draharahan’ny FormaProd isaky ny Distrika sy ny Kaominina no hanatonan’ireo tanora manam-paniriana hisitraka ny tetikasa. Arakaraka ny zavatra hiofanan’ny tanora no hisafidianana ny mpitantsoroka ho azy, hoy ny fanazavana. Manodidina ny 15 ny andiany iray, ary maharitra telo volana eo ny fiofanana, hoy Razafindraibe Haingotiana, Filohan’ny Kaomisiona mikasika ny serasera eo anivon’ny CRFAR Analamanga.
Tetikasa mendrika
Telo taona izay no nisian’ny fifaninanana tetikasa, avy amin’ny fampiofanana tao amin’ny FormaProd. Mampiavaka ny andiany tamin’ity taona ity kosa ny fiantsoana fandraisana anjaran’ireo tanora rehetra efa nisitraka ny fampiofanana tao amin’ny FormaProd hatramin’izay. Araka ny fanazavan’ny Tompon’andraikitra, nizara roa ny fifaninanana. Nisy ny fifaninanana ataon’ireo mpiahy ny tanora na « tuteur ». Izy ireo izay tantsaha mpamboly sy mpiompy matihanina, ary nitan-tsoroka ireo tanora nandray fiofanana hatramin’izay. Etsy ankilany, nisy fifaninanana eo amin’ireo tanora nisitraka fampiofanana, izay hizara sokajy roa. Sokajy voalohany ireo tanora nisitraka fampiofanana saingy mbola tsy nahazo ny tohana mifandraika amin’izy fa efa nanatanteraka ny tetikasan’izy ireo kosa. Sokajy faharoa kosa ireo tanora sady nisitraka fampiofanana no efa nahazo ny tohana ihany koa. Araka izany, nifarana ny fifaninanana ka tontosa omaly teny Ankerana ny fizarana ny Loka ho an’ireo sekoly mendrika indrindra teo amin’ny fanentanana ny mpianatra ho tia sy hahay mamboly ka ny voalohany tamin’izany ny EPP Mangamila, Distrika Anjozorobe ka nahazo fitaovana mitentina 3 tapitrisa ariary. Faharoa kosa ny kolejy “Vonona” any amin’ny Distrikan’Ankazobe izay nahazo fitaovana 2 tapitrisa ariary. Teo koa ny fizarana loka ho an’ireo Tanora izay manana tetikasa tsara ka ny voalohany dia mahazo fitaovana mitentina 1,5 tapitrisa ariary, ny faharoa nahazo 1,2 tapitrisa ariary ary ny fahatelo nahazo 1 tapitrisa ariary.



