KolontsainaSongadim-baovao
FIHENAN’NY TRANGANA COVID-19 : Miverina misokatra ny hetsika ara-javakanto sy ara-kolontsaina
58 ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny Coronavirus teto Madagasikara tao anatin’ny herinandro, raha ny antontanisa nivoaka, ny faran’ny herinandro teo. Midika izany fa efa tena nihena ny fiparitahan’ny Covid-19 eto amintsika. Noho izany indrindra no nahatonga ny teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra nanapa-kevitra ny hanokatra indray ny fikarakarana hetsika ara-javakanto sy ara-kolontsaina, rehefa voatery noferana noho ny Covid-19, tato anatin’ny volana vitsivitsy.
Manoloana ny firongatry ny valanaretina Covid-19, nisy ny Filankevitry ny Minisitra manokana natao ny 15 Desambra 2021, notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, izay nanapaka ny fidirantsika tao anatin’ny « fahamailoana ara-pahasalamana ». Anisan’ny voakasika manokana tamin’izany ireo Faritra telo mbola tena ahitana ny Covid-19, dia Analamanga, Vakinankaratra ary Matsiatra Ambony. Ka ho famerana ny fiparitahan’ny Covid-19, dia norarana ny fanangonana olona maherin’ny 100 amin’ny toerana mihidy sy ny famoriam-bahoaka.
Ankehitriny kosa, nihena ny tarehimarika, efa tena vitsy ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus ao anatin’ny herinandro, raha ho antsika eto Madagasikara manokana. Raha ny antontanisa navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo, dia niisa 58 ireo tranga vaovao voamarina nanerana ny Nosy, fa mitondra ny Coronavirus. Niisa 2827 ny fitiliana natao, nahitana an’ireo tranga ireo. Raha ny tatitry ny Minisiteran’ny Fahalasamam-bahoaka hatrany dia Analamanga no nahitana tranga vaovao 28. Tranga sivy avy kosa no hita tao Vakinankaratra sy Haute Matsiatra, raha toa ka 6 ireo tao Vatovavy, 2 tao Atsinanana, ary iray avy tao Melaky, Diana, Bongolava, Ihorombe.
« Noho izany, tsapa fa tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy ankehitriny izany fepetra izany. Arak’izany dia afaka miverina manatanteraka ireo hetsika ara-kolontsaina ireo mpanakanto”, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra. Miverina amin’ny laoniny ihany koa ny fivoriana ara-pivavahana, arapinoana. Isan’izany ihany koa ny hetsiky ny mpihira gasy izay afaka miverina manao ny asany.



