PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FIHIBOHANA FARAN’NY HERINANDRO: Misokatra hatramin’ny 01ora ny tsenakely, efa mivonona ny mponina
Manoloana ny fanapahankevitry ny Fitondram-panjakana amin’ny fihibohana tanteraka isaky ny Sabotsy sy Alahady, mba hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina covid-19 izay miha mahazo vahana, namoaka naoty mahakasika ny sokajin-tsena afaka misokatra sy ireo izay mikatona mandritra izany ny Minisiteran’ny varotra, omaly.
Mandritra ny fihibohana tanteraka isaky ny faran’ny herinandro dia hikatona avokoa ny tsena rehetra eto Analamanga fa ny tsenakely eny anivon’ny fokontany sisa no hisokatra, araka ny fampahafantarana navoakan’ny Minisiteran’ny varotra omaly. Taorian’ny fanambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny valandresaka farany nataony, ny amin’ny hihibohana tanteraka isaky ny Sabotsy sy ny Alahady mba hampihenana ny fitangoronana sy ny fifamezivezeana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus, nampandre ny rehetra ny minisitera fa mikatona avokoa ny tsena lehibe sy ny sokajin-tsena salantsalany mandritra ireo andro roa ireo. Anisan’ny voakasika amin’izany ny Jumbo Score, ny Shoprite, ny Supermaki, ny Leader Price, ny Shop Liantso sy ireo maro hafa. Mahakasika ireo “Epicerie du quartier” na tsenakely kosa indray dia voafetra hatramin’ny 01ora tolakandro ny fisokafany, araka ny fanazavana hatrany. Manoloana ity fepetra navoakan’ny Fanjakana ity, efa nivonona ireo mpivarotra voakasika na dia misy fiantraikany amin’ny fiharian’izy ireo àry izany, araka ny fanadihadiana natao izay nanehoan’izy ireo ny heviny.
Vidiana mialoha ny filàna Sabotsy sy Alahady
Nanambara i Justin Herinirina mpivarotra Gazety etsy Talatamaty fa ny faran’ny herinandro no fotoana tena mampandeha ny tsena. “Ny Sabotsy ny ankamaroan’ireo olona miantsena dia voasarika hanjifa gazety avokoa, noho ny tsy fananan’izy ireo fotoana hanarahany ny vaovao mandritra ny herinandro angamba” hoy izy. Ankilany anefa dia nilaza ny tenany fa tsy maintsy izay voaangona kely mandritra ny dimy andro hiasana no atao mahampy hiatrehana ny fihibohana tanteraka satria izay ny zava-misy. Naneho ny heviny ihany koa i Nanie, mpivarotra kojakoja fampiasa an-dakozia etsy anivon’ny tsenabe an’I Talatamaty, izay niaiky fa ny Sabotsy no tena herin’ny tsena satria fotoana maha betsaka ny olona manjifa ireo karazan’entana amidy, indrindra fa ireo tantsaha mitondra vokatra miakatra eo an-toerana, araka ny fanazavany. “Efa nanome ny Alatsinainy hatramin’ny zoma ny Fanjakana mba handaminana ny Sabotsy sy ny Alahady koa dia hisaorana azy izany” hoy hatrany izy. I Nachilla Lovasoa renim-pianakaviana mpanjifa amin’ireo karazan-tsena mikatona ireo indray kosa raha nohadihadiana dia nanambara mazava fa sarobidy ny aina ary rariny loatra ny fanapahankevitry ny Fanjakana. Nohamafisiny ity renim-pianakaviana ity hatrany fa ny farany ny herinandro dia tena mifanaretsaka izay tsy izy ny arabe sy tsena ary maro amin’ireo mpiantsena no tsy manaja ny fepetra sakana ara-pahasalamana. Ho azy dia hovidiany ny Zoma avokoa ny filàna rehetra mandritra ny andro roa hihibohana tanteraka.




