Trangam-piaraha-monina

FIHINANANA HAZANDRANO MISY POIZINA: Tafakatra 62 ireo olona naiditra hopitaly

Nisy trangana fihinanana hazandranomasina akio tao amin’ny tanànan’Ankarapona, fokontany Ambola kaominina Efoetse, distrikan’i Toliara II ny talata lasa teo. Niteraka tsy fahasalamana ho an’ny olona miisa 51 izany, ny androtr’io fotoana io. Raha ny antontanisa omaly, dia tafakatra 62 ireo olona tonga tao amin’ny CSB II Efoetse, raha ny antontanisa voaray farany. Efa maro ny nahazo fitsaboana tao amin’ny hopitaly CSB II Efoetse ka tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Efa nalefa nody avokoa ireo olona naratra, ka eo amin’ny olona roa no mbola tafajanona ao manaraka fitsaboana ao an-toerana.
Hatreto, tsy mbola misy ny namoy ny ainy, ary mety hiala ao amin’ny Hopitaly ireo olona sisa notsaboina. Ireo olona nihinana akio ireo, dia avy any amin’ny fokontany Maromitiliky, Behazomby ary Efoetse, izay samy ao anatin’ny kaominina Efoetse daholo. Tiana ny manamarika fa milanja eo amin’ny 250 kilao eo ho eo io akio norasain’ny fokonolona io tao Ankarapona io. Amin’izao fotoana izao, mbola misy marary hafa any Ambola sy any amin’ny sekoly any an-toerana mbola tsy tonga ao amin’ny CSB II Efoetse. Manentana sy mampahafantatra ary mampitandrina hatrany ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga fa mety hampidi-doza ny fihinanana karazana hazandranomasina voarara, indrindra rehefa vanim-potoana mafana toy izao, izay mety misy poizina ho an’ny olombelona. Tokony hisy hatrany ny fanentanana eny ifotony, mba hisorohana ny tranga tahaka izao.
Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer