Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FIHINANANA ZAVATRA TSY FIHINANA: Mpivady indray maty nisakafo “Kalamaoka dia”
Nisy fatin’olona mpivady tao amin’ny tranony, izay ao amin’ny Vakim-paritra fahasivy, Antsahalava Antsahamasina, fokontany Ambohimasina, kaominina sy distrikan’Ambatondrazaka, ny talata lasa teo. Vantany vao nahare ny sefo fokontany, dia niantso avy hatrany mpitandro filaminana. Tonga niaraka taorian’izay ny avy amin’ny zandarimaria niaraka tamin’ny dokotera. Rehefa natao ny fizahana niarahana tamin’ny Dokotera, dia vokatry ny fihinanana sakafo tsy fihinana no nahatonga ny fahafatesana satria tsy nahitana ratra na iray, fa samy nandoa avokoa izy ireo. Araka ny angom-baovao, dia ny zanak’izy ireo vao dimy taona monja, izay niara-natory tao an-tranon’izy ireo no nanaitra ny manodidina. Izany “Kalamaoka dia » izany ny sakafon’izy ireo ny alina, talohan’ny nahafatesan’izy mivady ireo. Fantatra fa tsy nisakafo io zazakely io, ary izay no antony tsy nahafaty azy, ka dia nampandre ny manodidina ny maraina. Vao 30 taona ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy io, izay avy ao Ambatondrazaka. Ilay vadiny koa dia namoy ny ainy, tamin’izao fihinanana zavatra tsy fihinanana izao. Tiana ny manamarika fa vao nifanambady herintaona lasa izy ireo, ary zanak’io vehivavy io manokana ilay zazalahy nampahafantatra ny fahafatesan’ireo ray aman-dreniny ireto. Taorian’ny fizahana moa, natolotra ny fokonolona niaraka tamin’ny Sefo fokontany ireo Razana. Nirosoan’ny tobim-paritra ao Ambatondrazaka ny fanokafana ny fanadihadiana momba ity fahafatesana mpivady, voalaza fa nihinanana zavatra tsy fihinanana ity.
Pierre M.




