PolitikaSongadim-baovao

FIHODINANA VOALOHANY – 09 NOVAMBRA 2023: “Tsy fifidianana mialohan’ny fotoana”, hoy ny Filohan’ny Ceni

Nazava ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly raha namaly ny filazana fa fifidianana mialohan’ny fotoana no hotanterahina eto amintsika ny 09 novambra 2023 izao. Raha ny voafaritry ny lalàna, hoy izy, dia tsy tafiditra ao anatin’ireo voasokajy ho fifidianana mialohan’ny fotoana io. Noho izany, azo atao ihany koa ny manova ny saram-pandraisana anjaran’ny kandida amin’ny fifidianana, miankina amin’izay tapaky ny Governemanta.

Mba ho fanajana ny voalazan’ny lalàna ny amin’ny tsy tokony hanatanterahana ny fifidianana ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra sy ny rotsak’orana, dia nanapa-kevitra ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ny handroso folo andro ny datin’ny fifidianana izay tokony ho ny 19 novambra farafalohany, kanefa lasa ny 09 novambra. Efa nakana ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) io, ary nahazoana fankatoavana. Amin’izao fotoana anefa, taorian’ny fivoahan’ny Didim-panjakana mamaritra ny saram-pandraisana anjaran’ny kandida amin’ny fifidianana ho 200 Tapitrisa Ariary, dia misy mpanao politika milaza fa fifidianana milohan’ny fotoana no hatao eto Madagasikara amin’io 09 novambra 2023 io, ka tokony hijanona amin’ilay 50 tapitrisa Ariary ny saram-pandraisana anjara, fa tsy hiova. Namaly izany indrindra ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo omaly.

Nambarany fa tsy mitombina io fanambarana io, ary tsy fifidianana mialohan’ny fotoana no ho atao ny 09 novambra izao. Mazava, hoy izy, ny voalazan’ny lalàna fa ny fifidianana mialohan’ny fotoana dia vokatry ny tranga tsy azo anoharana, toy ny hoe fahafatesan’ny Filoham-pirenena am-perinasa, na fametraham-pialany, na fitsipaham-pitokisana mahazo azy, na ny tsy fahafahany intsony manao ny asa maha Filoha azy. Tsy ireo tranga ireo anefa no misy ankehitriny fa fandrosoana folo andro noho ny fanajana ny lalàna amin’ny tsy tokony hantanterahana fifidianana ao anatin’ny fotoam-pahavaratra. Noho izany, azo atao ny manova ny saran’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana araka izay efa tapaky ny Governemanta, dia ilay 200 Tapitrisa Ariary, raha toa ka 50 Tapitrisa Ariary izany teo aloha.

Fifidianana azo antoka…

Tao anatin’ny fandaharana nataony tao amin’ny fahitalavi-pirenena omaly ihany koa no nanomezan’ny Filohan’ny Ceni antoka ny amin’ny hanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ary azo antoka, eken’ny rehetra. Efa niainga tany amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy izany, hoy izy. Io lisitry ny mpifidy ankehitriny io izay efa nahazoana ny fankatoavan’ireo mpitsirika teto an-toerana (comité ad’hoc ahitana ireo teknisianina avy amin’ny antoko politika), sy ireo mpitsirika iraisampirenena (ny Organisation internationale de la Francophonie – OIF). Nanamafy ireo mpanara-maso ireo, hoy ny Filohan’ny Ceni fa azo ampiasaina amin’ny fifidianana io lisitra voarafitra ankehitriny io. Ankoatra izay, nilaza koa ny Filohan’ny Ceni fa hanome alalana an’ireo fiarahamonim-pirenena sy mpanao politika, izay handefa mpanara-maso ny zotram-pifidianana rehetra. Ary koa vonona ny hiady amin’ny hosoka sy ny tsy fanarahan-dalàna.

Antso avo no nataon’ny Filohan’ny Ceni ny amin’ny tokony hanamafisan’ireo mpisehatra ara-politika rehetra sahady indray ny fanentanana ny olom-pirenena, indrindra ireo anaty lisitry ny mpifidy, mba handeha hifidy amin’ny fotoan’ny fifidianana.

Fermer