PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FIOKONA TSY HANARAKA FEPETRA TAO ANTSIRABE Raikitra ny sakoroka, olona 20 voasambotra nanimba fotodrafitrasa
Raha toa ka samy nanaiky tamim-pilaminana izay fepetra noraisina isam-paritra ny vahoaka rehetra tany amin’ny Faritra hafa, tsy mba toy izany kosa ny zava-nisy tao Antsirabe tampon-tanàna omaly, fihokona sy tsy fanekena hanaraka ny fepetra noraisin’ny Faritra no nasetrin’ny andian’olona sasany. Fepetra izay nentina hiadiana amin’ny firongatry ny Covid-19 ao Vakinankaratra izay efa tafiditra ao anatin’ireo Faritra mikatona.
Omaly hariva, hatry ny alina, raikitra ny tifi-danitra sy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso, nataon’ny mpitandro filaminana amin’ireo andian’olona tsy manaiky ny fepetra napetraka. Nikorontana tanteraka ny nanodidina ny fokontany vitsivitsy tao an-tampon-tanàna, satria tsy nankato ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Faritra Vakinankaratra ireo mpivarotra maromaro ao an-toerana. Isan’izany ireo mpivarotra eo amin’ny Takilaby ny Akademia sy manodidina ny Piste Vatofotsy, izay nisy toerana nametrahana ny CTC-19 Vakinankaratra vao nosokafana. Efa hatry ny omaly atoandro no nikononkonona izany ireto andian’olona teo amin’ireo mpivarotra, ary niafara hatramin’ny tora-bato sy sakoroka, hatry ny omaly alina.
Nikasa handoro tobin-tsolika
Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny Kaomandin’ny Vondro-tobi-pileovan’ny Zandarimaria ao Vakinankaratra, dia olona 20 hatramin’ny omaly alina no fantatra fa voasambotra. Izy ireo izay anisany nandray anjara tamin’ny fanimbana fotodrafitrasa samihafa tany an-toerana. Tafiditra tao anatin’ireo nahitana fahasimbana ny tamboho fanintson’ny Oniversite Manarapenitra ao an-toerana ary efa nahitana afo koa tao amin’ny faritry ny oniversite ny alina. Vaky ihany koa ny fitaratra tao amin’ny CTC-19 izay vao napetraka, ary re koa aza fa toa hoe navoakan’ireo andian’olona ireo ny fandriana sy ny fitaovana tao amin’ity fandraisana an-tanana ireo mararin’ny Covid-19 ity? Tetsy ankilany, noravain’izy ireo ary nodorany ireo kiôska sy fivarotan’olon-tsotra vitsivitsy tany an-toerana, nisy ireo nikasa handoro ny tobin-tsolika Jovena Antsirabe.
Voarara ny fivezivezena ny tolakandro
Nahitana korontana koa teny amin’ny fokontany Mahazina, ny omaly tolakandro. Raha tsiahivina, anisan’ireo Faritra mikatona i Vakinankaratra amin’izao fotoana izao, noho ny fiakaran’ny tahan’ireo olona marobe voan’ny covid-19. Voarara ny fivezivezena ao Vakinankaratra ny tolakandro, ary ho tanàna mangina ny tolakandro, araka ny fanapahan-kevitra noraisina. Olona iray ihany no tokony hivoaka ny trano manomboka amin’ny 2 ora amin’ny andavanandro. Ny mpianatra hanala fanadinana manao aron’akanjo na mitondra « certificat de scolarité » dia tsy voakasik’izany. Ny mpiasan’ny orinasa sy indostria, orinasa tsotra dia avela hanohy ny asany, saingy hanaja ny fepetra sakana ary hitondra fanamarinana hatrany.
Pierre M sy LR.




