PolitikaSongadim-baovao

FIKAONAN-DOHA LEHIBE IFOTONY ANY ATSIMO: Finiavana politika hanovana ny tantara ao Androy sy Anosy

Nosokafan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fomba ofisialy tao Tolagnaro, omaly 11 jona ny fikaonan-doha lehibe ifotony, hanatanterahana ny vina fampandrosoana ho an’ny faritra atsimo, atao mandritry ny roa andro. Finiavana politika hanovana ny tantara ao Androy sy Anosy izao fihaonana izao, hoy ny Filoha. Fomba fiasa izay tsy nisy nanao am-polo taonany maro kanefa hahafahana mijery ifotony ny vahaolana any Atsimo.

Tsy fahampian-drano, tsy fanjarian-tsakafo, tsy fandriampahalemana, tsy fisian’ny fotodrafitrasam-pampandrosoana, haratsian’ny lalana, ireo anisany olana fototra iraisan’ny tapany Atsimon’ny Nosy rehetra. Eo anatrehan’izany, ny Filoham-pirenena mihitsy no nitarika ny fikaonan-doha tanterahina any Tolagnaro ankehitriny. Mariky ny fanehoany ny fahavononany hanova tanteraka ny faritra atsimo izany. Mandray anjara amin’izany ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Voasolotenan’ireo mpikamban’ny Governemanta ireo avokoa ireo sehatra tsy maintsy jerena sy hampandrosoana aty Atsimo. Tonga nanatrika ny fikaonan-doha ihany koa ny governoran’ny Faritra Atsimo sy Androy. Voaantso hanatrika ny fikaonandoha ihany koa ireo Solombavambahoaka sy loholona ao anatin’ny faritra Androy sy Anosy. Nasaina hanatrika ny fikaonan-doha ihany koa ny mpisehatra samihafa toy ny sehatra tsy miankina.

Nilaza ny Filoha fa natao ho hamehana ny famonjena ny mponina ao amin’ny faritra Atsimo ka antony nanaovana ny fikaonan-doha. Tanjona noho izany ny hamaritana ireo fanamby tsy maintsy tratrarina sy ireo hetsika laharampahamehana isaky ny distrika mifanaraka amin’ny hetahetan’ny mponina sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana. Eo koa ny hametrahana paikady hahafahana manetsika ny fampivoarana ara-toekarena any Atsimo. Hanamafy ny fiarinan-doha any Atsimo mba hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra ny hetsika. Ary hampifanaraka ny fomba fijery ho taratry ny vinan’ny Filoham-pirenena hamoahana ny faritra Atsimo amin’ny fahantrana ho amin’ny fampandrosoana maharitra.

Hevi-dehibe efatra

Ny lafiny sosialy, ny fanajariana, ny fanafoanana ny Kere sy ny fandriam-pahalemana, ireo no anisany hevi-dehibe efatra nandritra ny fikaonan-doha. Mila lalan-tsaina vaovao ny fomba entina manafoana ny Kere ao Atsimo sy manarina ny fahataran’ny fampandrosoana any an-toerana, hoy ny Filoha. Tsy nisy mihitsy ihany koa hatramin’izay ny tetikasam-pampandrosoana ho an’Atsimo, hoy izy, satria tsy nisy mihitsy ny vina mazava ho an’ny faritra. Hanova ny tantara araka izany ny fikaonandoha. Resy lahatra ny Filoha fa azo tanterahina tsara ny faritra Atsimo mandroso. Efa nofaritany tamin’ny lalantsainy sahady araka izany ireo paikady mahomby hahatrarana an’i Atsimo mandroso. Resy lahatra ny Filoha fa voalohany amin’izany ny fanajariana ny tany hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Tanjona ny hahatratrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo ho an’ny faritra Atsimo handresena ny tsy fanjariantsakafo sy ny Kere. Paikady hanarenana ny faritra atsimo ihany koa ny fametrahana ny indostria izay mifampiankina amin’ny fampiroboroboana ny fambolena hahafahana manodina ny vokatra hamelomana ny vahoaka. Laharampahamehana ihany koa ny fanamboarana ny lalana hahafahana mampivezivezy ny vokatra sy ny olona. Nanamafy ny Filoha fa tsy maintsy ho tanterahina sy ho vitaina ny fanamboarana ny lalampirenena faha-13 izay tafiditra ao anatin’ny Velirano manokan’ny Filoham-pirenena ho an’ny faritra Atsimo. Manampy izany ny fananganana fotodrafitrasa ho fanomezana rano ho an’ny faritra atsimo. Tetikasa goavana atolotry ny Filoham-pirenena ho an’ny vahoakan’Atsimo ny fametrahana ny « Pipeline » hitaritana ny rano miainga ao Efaho , mandalo an’Amboasary amin’ny faritra Anôsy ka tonga hatrany amin’ny distrikan’Ambovombe amin’ny faritra Androy. Hatao hizara roa ny famatsian-drano amin’ny Pipeline. Natao hamatsiana rano fisotro madio ny am-pahany raha toa ka natao hanondrahana ny fambolena ny am-pahany. Mametraka fanamby ny Filoha fa ho volan’ny fanjakana no hanaovana ny pipeline.

Ny Fanoratana.

 

Fermer