PolitikaSongadim-baovao
FIKARAKARANA FIFIDIANANA: 3,9 miliara Ar mahery fanampiny ho an’ny Ceni
Ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny Talata 24 oktobra 2023 teo no nandray ny didim-panjakana mamindra ny sorabola fanampiny mitentina 3 947 190 000 Ariary ho an’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), hanampiana ny fikarakarana fifidianana. Nifanindran-dalana tamin’izany koa ny fividianana fiaram-panjakana miisa efatra ho an’ny Ceni hahafahan’ity farany manatanteraka ny asa sy ny andraikitra rehetra sahaniny ao anatin’ny zotram-pifidianana.
Efa nambaran’ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), andriamatoa Dama Arsène Andrianarisedo, hatrany fa tsy olana mihitsy ny resaka tetibola ao anatin’izao fikarakarana ny Fifidianana Filoham-pirenena izao. Misy rahateo ny kitapom-bola iombonana (Basketfund) izay handrotsahan’ireo mpamatsy vola ny fanohanan’izy ireo ny fikarakarana ny fifidianana, izay tantanin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD). Isan’ireo efa nandrotsaka tao anatin’izany ny Firenena frantsay, ny amerikanina, ny Alemana, ny Korea, ary ny Vondrona Eoropeanina. Ny Governemanta ihany koa anefa dia manana anjara betsaka ao anatin’izany famatsiam-bolan’ny fifidianana izany, ary efa nandrotsaka ampaham-bola nahafahan’ny Ceni nanao asa. Ny talata lasa teo, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra dia noraisina ny didim-panjakana amindrana ny sorabola fanampiny mitentina 3 947 190 000 Ariary avy ao amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ho an’ny tetibola taona 2023 ka homena ho an’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ao anatin’ny fikarakarana ny fifidianana Filoham-pirenena.
Fividianana fiara…
Etsy ankilany, nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny talata lasa teo ihany koa ny hirosoan’ny Ceniamin’ny fividianana fiarampanjakana miisa efatra (04) mba ahafahany manatontosa ny andraikiny sy mahatratra ny tanjona napetraka aminy ao anatin’ny drafitrasa ao anatin’ny taona maro (Plan de travail pluriannuel). Fiara tsy mataho-dalana miisa roa (02) sy fiara “minibus” miisa roa (02) no hovidiana, araka ity fahazoan-dalana ity.
Araka izany, mitohy mankany amin’ny fifidianana hatrany isika eto Madagasikara, na dia eo aza ny savorovoro politika iniana volena ankehitriny. Tsy voasakana ny zotram-pifidianana fa miroso hatrany, ary manatanteraka ny anjara andraikitra tandrify azy ny Governemanta amin’ny fanomezana ny tetibolan’ny Ceni, izay rafitra mahaleotena tanteraka. Raha tsiahivina, ny 16 Novambra 2023 izao no hotanterahina ny fihodinana voalohan’ny fifidianana Filoham-pirenena eto Madagasikara.




