PolitikaSongadim-baovao
FIKASANA HAMONO NY FILOHA : Nohenoina ny Arsevekan’Antananarivo, nihaona ny Filoha sy ny Kardinaly
Omaly tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany maraina no nigadona teny amin’ny toeram-piasan’ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan’Antananarivo, ny mpanao famotorana mahakasika ny raharaha fikasana hamono ny Filohan’ny Repoblika. Tsy nisy nipika hatreto ny fanadihadiana natao azy. Ny tolakandron’ny omaly kosa no fantatra fa nihaona tamin’ny Filoha Andry Rajoelina ny avy amin’ny Eglizy Katolika notarihin’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana...
Tafiditra ao anatin’ireo olona nohadihadiana sy tsy maintsy nohenoina ao anatin’ny raharaha fikasana hamono ny Filoham-pirenena ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Araka ny efa notaterina teto omaly, anisan’ireo olona nanana fifandraisana tamin’Andriamatoa Paul Rafanoharana ity tomponandraikitra eo anivon’ny Eglizy Katolika ity, ka antony naha voatonontonona ny anarany. Omaly tokony ho tamin’ny 09ora sy sasany maraina, noho izany, no nigadona teny amin’ny toeram-piasan’ny Arsevekan’Antananarivo teny Andohalo ny mpanao fanadihadiana. Araka ny loharanom-baovao dia isany tonga teny an-toerana ny mpampanoa lalàna ambony. Naharitra ora efatra ny famotorana natao an’ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, izay niaraka tamin’ny mpisolovava azy, araka ny loharanom-baovao hatrany. Tsy mbola nisy nipika, noho izany, ny famotorana rehetra natao azy. Ny fanadihadiana momba ny raharaha kosa dia mbola mitohy hatrany.
Raha tsiahivina, in-15 no voatonona ny anaran’ny arsevekan’Antananarivo, raha ny ampahan-dresaka nivoaka avy tao amin’ny efitra famotorana. Fantatra nandritra izany koa fa efa ho am-bolana maromaro ny tenany sy I Paul Rafanoharana no nihaona ary raha kely indrindra dia indroa na in-telo isan-kerinandro izy ireo no mihaona sy miresaka, ka isan’ny votoatin-dresaka amin’izany ny tetikasa Appollo 21. I Paul Rafanoharana, iray amin’ireo efa voasambotra tamin’ity raharaha ity, izay nilaza foana hatrizay fa mpanolontsaina manokan’ny Arsevekan’antananarivo. Andraikitra izay mbola nampiasainy tanatin’ilay taratasy ho an’ny tale jeneralin’ny orinasa Madagascar oil mangataka fampiasam-bola hatramin’ny 10 tapitrisa Euro.
Tsy manao politika ny Eglizy Katolika
Omaly tolakandro, nisy ny fihaonana teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Kardinaly Éminence Désiré Tsarahazana ary ireo Monseigneur 2 ao anatin’ny Biraon’ny Fivondromamben’ny Eveka eto Madagasikara, teny amin’ny Lapam-pajakana Iavoloha. Taorian’ny fihaonana, nisy ny fanambarana nataon’ny roa tonta mahakasika ny fikasana hifofo ny ain’ny Filoha. “Tsy manao politika ny eglizy katolika ary tsy mankasitraka ny herisetra na fanakorontanana natao handrombahana ny fahefana”, hoy ny Kardinaly Tsarahazana. Tsy natao hikendry toerana na haka seza ihany koa ireo mpitondra eo anivon’ny fiangonana katolika na eveka izany na pretra. Nohamafisin’ny fanambarana ihany koa fa tsy manana kandida tohanana ho Praiminisitra ny eglizy katolika.
Naneho hevitra ny Filoha Andry Rajoelina
Tsy amin’ny alalan’ny herisetra no hahafahana mamaha ny olana eto amin’ny firenena, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly, mahakasika ny raharaha fifofoana ny ainy. Notsindriany fa tsy ao anatin’ny soatoavina malagasy ny fampiasana herisetra. Manoloana izany, nankasitraka ireo rehetra nitondra teny fampaherezana sy fanohanana azy ny Filohan’ny Repoblika, ary isan’izany ireo iraky ny Vatican tonga nihaona taminy omaly teny Iavoloha. Tsara ho fantatra fa io omaly io no fisehoana tamin’ny haino aman-jery voalohany nataon’ny Filohan’ny Repoblika taorian’ny nipoahan’ity raharaha fikasana hamono azy ity. Nanomboka ny herinandro lasa teo anefa, mandrak’ankehitriny dia mbola manao sesilany hatrany ireo manao fanambarana fanamelohana ity fikasan-dratsy ity. Samy miandry ny tohin’ny fanadihadiana noho izany ny rehetra, ary antenaina ny hisiana fampahafantarana ofisialy ireo rehetra izay mety ho ambadika na voasaringotra tamin’ity raharaha ity.
Fihaonana teny Iavoloha
Tsara ho fantatra fa tena anton’ny fihaonana omaly ny fanaovan’ny eglizy katolika ny tatitry ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny birao niainga amin’ny tatitra voaray isaky ny diosezy. Voaresaka manokana tamin’izany ny momba ny tsy fandriampahalemana, ny lalana ratsy sy ny kolikoly.
Iraka avy amin’ny Fiketrahana Masina nitondra ny teny fankaherezana manokana avy amin’ny Papa Ray Masina Francois ho an’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny kardinalin’i Madagasikara Désire Tsarahazana niaraka tamin’ny mpikamban’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, nihaona tamin’ny Filohampirenena omaly. Nisy noho izany ny fankaherezana taorian’ny fikasana hifofo ny ain’ny Filoha. Hanao tatitra amin’ny Nonce Apostolique eto Madagasikara Mgr Paolo Gualtieri ihany koa izy ireo, araka ny fanazavana. Mankasitraka ny ezaky Fitondram-panjakana ny eglizy katolika amin’ny tetikasam-pampandrosoana ataony. Miantso ny Fanjakana hanao ezaka manokana amin’ny ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny lalam-pirenena faharoa ary ny fakana tanin’olona kosa ny Fiangonana Katolika.



