PolitikaSongadim-baovao

FIKIRAKIRANA DOSIE MAFANA: “Tsy mandray baiko ary tsy azo baikoana ny Bianco”, hoy ny tale jeneraliny

Rafitra natao hitarika ny ady amin’ny Kolikoly eto Madagasikara ny Bianco, na ny Birao mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly. Betsaka ny adihevitra mandeha mahakasika ny fahaleovantenan’ity rafitra ity marina na tsia. Omaly, nitsotra ny Tale Jeneralin’ny Bianco, fa tsy mandray baiko ary tsy azo baikoana izy ireo amin’ny asa fanadihadiana izay ataony. Anisan’izany ny amin’ireo raharaha mafana rehetra eto amin’ny firenena, izay hilazan’ny olona sasany fa hanaovan’ny Fanjakana fanindriana eny anivon’ny Bianco.

Raha misy rafitra tena iharan’ny fanenjehana mavaivay eto amintsika dia ny Bianco. Ity farany, izay tsy vitan’ny rafitra natao hanentana sy hanabe amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly fotsiny ihany, fa sady natao ihany koa hampihatra ny lalàna sy hanadihady ireo trangana kolikoly misy mitoroka eny amin’izy ireo.

Tsy hita izay hiafaran’ny raharaha, tsy fantatra mazava ny valin’ny fitsarana, tsy niditra am-ponja akory ireo olona voarohirohy, ela loatra ny fanadihadian’ny Bianco, ampahany amin’ireo fanakianana ataon’ny mpanarabaovao ity rafitra misahana  ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ity ireo. Omaly, nilaza ny Tale Jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat, fa araka ny tokony ho izy daholo ny asa atao eo anivon’ity rafitra ity. “…isika manana fahazarana matetika hamadika resaka politika ny raharaham-pitsarana, ary koa, hampiditra anatina raharaham-pitsarana ny resaka politika”, hoy ny nambarany. Tsy miditra ao anatin’ny fifandroritana amin’ny adilahy politika ny Bianco, hoy hatrany izy. Fotoana izay nanindriany fa mba hampahomby ny asa dia mila fitoniana izy ireo. Isany nokianiny tamin’izany ny fitondrana mpanao gazety rehefa hametraka antontan-taratasy fitoriana. Fihetsika nambarany fa tsy mety amin’ny fahombiazan’ny fanadihadiana. “Tsy misy ny antontan-taratasy ailika rehefa tonga eny amin’ny Bianco fa anaovana fanadihadiana daholo. Mila manana faharetana ihany koa anefa ny rehetra, ary tsy voatery hanao tatitra ny asa fanadihadiana tena mamaivay izahay”, araka ny fanazavana hatrany.

Raharaha “écran plat”

Isany raharaha mbola nitana ny sain’ny maro ny mahakasika ilay resaka “écran plat” nahavoasaringotra ny tompon’andraikitra iray eto amin’ny firenena. Nilaza ny BIANCO omaly fa efa vita ny asa sy ny andraikitr’izy ireo mahakasika iny raharaha iny. Ary efa nalefa eny amin’ny rafi-pitsarana misahana izany ny antontan-taratasy rehetra. “Na izahay koa aza mba miandry”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Bianco. Fotoana izay namaliany ireo tsaho miely amin’ny mety ho fisian’ny tsindry avy amin’ny Fanjakana tamin’ny raharaha tahaka ireny. “Miankina amin’ny fanadihadiana no manafaingana na mampaharitra ny fikirakirana ny raharaha iray. Raha tonga dia misy porofo azo raisina avy hatrany dia vetivety ny fanadihadiana atao momba ilay raharaha. Ny zavatra mateti-piseho anefa dia seraseraina loatra ilay raharaha, hany ka, lasa manam-potoana hanaisorana ireo tokony ho porofo rehetra ilay olona ahiahiana”, hoy izy. Tsy azo terena hifanaraka amin’izay eritreritry ny rehetra koa anefa ny valin’ny fanadihadiana rehetra atao amin’ny raharaha iray fa miankina amin’ny porofo misy eo am-pelatanan’ny mpanao fanadihadiana ihany, indrindra ho an’ny mpitsara misahana ny raharaha.

Fanodikondinam-bolam-panjakana

Nisy ny tatitry ny asa vita tamin’ny taona 2019, nataon’ny teo anivon’ny Bianco, omaly. Nandritra izany no nitaterana ireo antontanisa samihafa mahakasika ireo raharaha nandalo teo anivon’ny Bianco. Araka ny tatitra, noho izany, niisa 1441 ireo olona nohadihadian’ny Bianco ny taon-dasa iny. Niisa 639 ireo olona tsy maintsy nampiantsoana teny anivon’ny Bianco. Nisy olona 155 niditra am-ponja vonjimaika, ary 405 no nahazo fahafahana vonjimaika. Nilaza ny Bianco fa saika nahitana trangana Kolikoly avokoa ny sehatra maro teto amintsika ny taona 2019. Saingy notsindriany manokana ny sehatry ny asam-panjakana izay nahitana fanodinkodinam-bola betsaka, araka ny nambarany. Mitohy ny fanatsarana ny ady amin’ny Kolikoly eto Madafasikara, ary hatsaraina hatrany paikady hamongorana izany tanteraka. Ny Fanjakana mijoro ankehitriny rahateo manana finiavana hanohana izany ady izany, amin’ny fampitomboana ny tetibola hiasan’ny Bianco, nitaha tamin’ny isan-taona.

Fermer