PolitikaSongadim-baovao

FIKIRAKIRANA NY FIFIDIANANA : « Tsy ekenay ny fampidirana anay ao anaty kajikajy politika », hoy ny Filohan’ny Ceni

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly, mahakasika ireo tsikera mamaivay samihafa momba ity rafitra mpikirakira fifidianana ity. Notsiandrian’ny Filohany, Hery Rakotomanana, fa mahaleo tena tanteraka izy ireo amin’ny fikarakarana fifidianana, ary tsy mandray baiko na avy aiza na avy aiza. Nazava ny teniny, « tsy ekenay ny fampidirana anay ao anaty kajikajy na adihevitra politika ».

Isany fehi-kevitra tapaka nandritra ny fivorian’ireo vondron’ny mpanohitra farany teo, ny tsy fanekena intsony ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny Fifidianana na ny Ceni amin’izao endriny ankehitriny izao. Mazava ny anton’izany, ary tsy mahagaga satria, tsy nahomby mihitsy ireo antoko politika miaraka ao amin’io vondron’ny mpanohitra io, nandritra ny fifidianana nifandimby farany teo, izay nokarakarain’ny Ceni ankehitriny. Raha tsorina, mihevitra ireo vondron’ny mpanohitra fa misy ny tsindry na baiko ataon’ny mpitondra ankehitriny mankany amin’ity rafitra mpikarakara fifidianana eto amintsika ity. Namaly izany anefa ny Filohan’ny Ceni, omaly, nandritra ny fanolorana ireo tolo-kevitra fanatsarana ny raharaham-pifidianana, tetsy Alarobia. « Mandinika am-pitoniana ireo fanakianana isan-tokony izay ataon’ny sasantsasany ho an’ny CENI izahay tato ato. Ho fanajana ny demokrasia dia manaja ireny fanehoan-kevitra ireny izahay. Milaza eto anefa izahay fa ny CENI dia mahaleo tena tanteraka, ary tsy mandray toromarika na avy aiza na avy aiza. Ary, tsy manome vahana fifandraisana mety handratsy ny zotram-pifidianana”, hoy ny Filohan’ny Ceni, Hery Rakotomanana. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity, fa niezaka ny nisokatra hatrany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny Ceni, tamin’ny alalan’ireo sehatra hifampidinihina (cadre de concertation), tao amin’ny foibe, sy tany amin’ireo Distrika119  manerana an’i Madagasikara. Nandritra ireny fihaonana ireny, dia niezaka hatrany ny teo anivon’ny Ceni nanazava ny manodidina ny zotram-pifidianana. Notsiahivin’ny Filohan’ny Ceni koa ny ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fanaovana fitsirihana teo anatrehan’ny rehetra ny lisi-pifidianana. “Aoka tsy ho adino fa ny CENI no nangataka ny hitsirihina ny lisi-pifidianana, mba ahafantaran’ny rehetra ny tsy mety ao anatiny ka handraisan’ireo tompon’andraikitra ny andraikiny mba ho fanatsarana azy. Tamin’izay dia ny OIF no nanantontosa ny fitsirihina”, hoy izy nanazava.

Nisy ny ezaka natao

Tetsy ankilany, nilaza koa ny Ceni fa betsaka ihany koa ny ezaka natao mikasika ny lisi-pifidianana, nandritra ireo fanavaozana isan-taona, izay nokarakaraina. Kanefa, betsaka ihany koa, ireo fahasarotana sy fahasahiranana niainana tamin’izany. Ohatra amin’izany, ny tsy fahatongavan’ny mpifidy mitsirika ny anarany, na misoratra eny amin’ny Fokontany, amin’ny fotoana tokony hanaovana izany. Teo koa ny tsy fifehezana matetika, ny fifindra-monina sy ny fiovan’ny adiresin’ny mpifidy. Ary koa, ny fahampian’ny fe-potoana, hanoratana ireo anarana, avy any amin’ny Fokontany, eo anivon’ny Sampana mikirakira solosaina eny amin’ny Distrika. Tsara ho fantatra fa ny Ceni efa nandroso soso-kevitra hatrany ny tokony hidirana amin’ny fomba tsy maty paika andro kokoa amin’ny fomba fikarakarana ny fifidianana. “Ny fitanisana sy filazana izany rehetra izany, dia tsy midika velively fa miala amin’ny adidy aman’andraikiny ny CENI, fa tsy mety kosa raha hodian-tsy hita ny ezaka vita, fa ny lesoka ihany no arangaranga etsy sy eroa, ao anaty kajikajy politika isan-tokony”, hoy Hery Rakotomanana. Nanamafy ny Ceni fa nisy ny ezaka natao nahafahana nanatontosa tamim-pilaminana ireny fifidianana rehetra nisy teto amin’ny firenena ireny, indrindra ny taorian’ny fifidianana. “Koa eo anatrehan’izany rehetra izany, tsy ekenay ny fampidirana anay ao anaty kajikajy na adihevitra politika. Miasa an-kitsi-po ho an’ny firenena izahay. Nampandroso be dia be ny raharaham-pifidianana, ary mitady amin’ny herinay rehetra ny fanatsarana ny lisi-pifidianana”, hoy ny fanazavany.

Fermer