PolitikaSongadim-baovao
FIKIRAKIRANA NY RAHARAHAM-PIFIDIANANA : Tsy hijerena kandidà na antoko ny fanapahana raisin’ny HCC
Betsaka ireo mbola tsy mahalala ny fomba fiasa, sy ny lalàna mamaritra ny tena asan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ka maika amin’ny fanenjehana sy ny fanomezan-tsiny, hoy ny Filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, omaly, raha nanatanteraka atrikasa niaraka tamin’ireo mpitarika politika. Voaresaka betsaka nandritra ny fihaonana ny mahakasika ny fitsaran’ny HCC ny raharaham-pifidianana mandeha eto amin’ny firenena, izay voambara fa tsy misy fijerena kandida na antoko politika velively.
Zotram-pifidianana lavitry ny hala-bato sy ny tsy fanarahan-dalàna no fanamby apetraky ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), araka ny nambaran’ny Filohany omaly. Lalàna no mamaritra ny anjara andraikitry ny HCC, ary tsy mifanitsaka velively amin’ny asan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, izay rafitra ihany koa mikirakira ny raharaham-pifidianana eto amintsika. Izany indrindra no nanatontosa ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpitarika antoko politika omaly.
Ny andininy faha 116 ao amin’ny lalàmpanorenana, sy ny lalàna fehizoro tamin’ny 18 novambra 2001 no nitanisa ny andraikitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana amin’ny lafiny fifidianana. Voalaza amin’ireo andinin-dalàna ireo fa ny HCC no mitsara sy mandinika ny tontolo iainana momba ny fitsapakevi-bahoaka, ny fifidianana Filoham-pirenena, Solombavambahoaka, ary ny Loholona. Ny hcc koa no mamoaka ny valim-pifidianana raikitra amin’ireo fifidianana ireo. “Noho izany, anjaran’ny HCC no mitily sy manatsikafona ny tsy fanarahan-dalàna, ny hala-bato, ny fividianana vato, eny fa na dia tsy misy mitory aza”, hoy ny Filohany. Izany dia mety miafara amin’ny fanafoanana vato manontolo na amin’ny ampahany, ao amin’ny biraom-pifidianana iray na maromaro. “Hamafisinay eto, fa ny fampiharana ny lalàna no entina manatanteraka izany, fa tsy hijerena kandida, na antoko, sy izay mety ho vokatry ny fanafoanana amin’ny filaharan’ny kandida arakaraka ny isam-bato azony avy”, hoy hatrany ny Filohan’ny HCC.
Fomba fitoriana
Araka ny fanazavana hatrany, tsy voafatotry ny valim-pifidianana vonjimaika avoakan’ny CENI ny fitsarana ataon’ny HCC. “Ny anton’izao fihaonana izao, dia mba hanazavana, sy hanomezana torolalana, mikasika ny fifidianana, ny fomba fiasan’ny HCC, ny pitsopitsony takina amin’ny fitoriana, raha misy tsy fanarahan-dalàna”, hoy Rakotoarisoa Florent. Hita, hoy izy, fa maro ireo fitoriana mety mitombona ka mety mitarika fanafoanana valim-pifidianana, nefa noho ny tsy fanarahana ny fombafomba, na ny antontan-taratasy takin’ny lalàna hitoriana, dia tsy afaka mandinika izany ihany koa ny HCC. Izany anefa, no mahatonga ny olona sasany mimenomenona amin’ny asan’ny HCC matetika.
Marihina fa tsy azo ivalozana na anaovana fampakarana ambony, na hanaovana fandravana ny didy na fanapahana avoakan’ny HCC, araka ny voalazan’ny andininy faha 20 ao amin’ny Lalàmpanorenana. “Mampanaja ny lalampanorenana no andraikitry ny HCC, tsy miala amin’izany ny didy sy ny fanapahana raisina fa tsy natao hahafapo izay nipoiran’ny volavolan-dalàna na ny tolo-dalàna akory”, hoy ny fanazavany.
Sehatra ahazoana miteny
Nanao fanamarihana mahakasika ireo olona manenjika ny HCC amin’ny fahanginany, manoloana ireo voalaza fa tsy mety ataon’ny Fanjakana ny filohany omaly. Nambarany fa ny HCC dia rafitra voafaritra ao amin’ilay “tsy miteny tsy anontaniana”. Ny lalàmpanorenana ao amin ‘ny andininy faha 117-118-119, hoy izy, no mamaritra ireo sehatra hahazoan’ny HCC miteny, rehefa misy ny fanontaniana avy amin’ireo sehatra voakasika.



