PolitikaSongadim-baovao
FILANKEVITRY NY MARI-BONINAHI-PIRENENA : Natolotra omaly ireo mpikambana vaovao hiasa mandritra ny 5 taona
Nanomboka omaly ny fiandohan’ny fotoam-pivoriana andiany voalohan’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Andrin’ny Mari-boninahi-pirenena na ny « Grande Chancellerie », izay natao tetsy amin’ny foiben-toerany etsy Antsakaviro. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany fivoriana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay Filoha faratampon’ny Mari-boninahi-pirenena, na « Grand maître de l’Ordre national Malagasy ». Nandritra ity lanonana ity no nanolorana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ity « Grande Chancellerie » ity, na ny antsoina hoe « Conseil de l’Ordre », izay tarihin’ny « Grand Chancellier » ny jeneraly misotro ronono, Ranjeva Marcel. Mandritra ny 5 taona, araka izany, ny fe-potoam-pitantanan’ireo mpikambana vaovao ao amin’izany Filankevi-pitantanana izany, ary miisa 12 izy ireo, ary roa isaky ny faritany. Mifanojo amin’ny faha-65 taonan’ny nijoroan’ny Andrin’ny Mari-boninahi-pirenena koa ity taona 2025 ity. Nomarihin’ny jeneraly misotro ronono Ranjeva Marcel fa ny Filoha Andry Rajoelina no Filoham-pirenena voalohany nitsidika ny « Grande Chancellerie » tao anatin’izay 65 taona nijoroany izay.
Datin’ny 10 marsa…
Ho fanamarihana izany dia nangataka ity jeneraly misotro ronono ity, mba ho atao « Andron’ny Mari-boninahi-pirenena » ny datin’ny 10 Marsa, izay nandraisan’ny « Grande Chancellerie » voalohany ny Filoha fara tampon’ny mari-boninahi-pirenena. Ho setrin’izany hatrany koa, notoloran’ny Filoha Rajoelina ny “medaille” misy ny mari-pamantaran’ny mari-boninahi-pirenena, izay mitondra ny laharana voalohany, ary misy ny anaran’ny Filoha sy ny daty omaly ao an-damosiny. Nandritra ny lanonana omaly koa dia natolotra ny Filoha Rajoelina ny dika voalohany amin’ny boky natontan’ny « Grande Chancellerie », izay mirakitra ny vokatry ny fanadihadiana mahakasika ny tantaran’ny mari-boninahi-pirenena. “Ny mari-boninahi-pirenena malagasy mantsy no mari-pankasitrahana ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.
Notsiahivin’ny Filoham-pirenena sady Filoha fara tampon’ny Mari-boninahi-pirenena fa “izay rehetra miady ho an’ny fiandrianam-pirenena, miady ampiakatra avo ny hambom-pom-pirenena sy ny voninahi-pirenena dia mendrika fankasitrahana ho lasa modely fankan-tahaka ho an’ny fiarahamonina. Izany indrindra no nametrahako nanomboka ny taona 2019, fa tsy omem-potsiny ny mari-boninahi-pirenena fa natokana ho an’ireo izay tena nanao asa mivaingana sy azo tsapain-tanana ho an’ny Tanindrazana”. Nanome toromarika an’ireo mpikambana ao amin’ny « Conseil de l’Ordre », araka izany, ny Filoha Rajoelina “mba ho tena mari-pankasitrahana natokana ho an’izay tena nanao ezaka miavaka ho an’ny Tanindrazana no tolorana izany mari-boninahitra izany.
Ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny « Grande Chancellerie »
- Rakotonarivo Donatella (Faritany Antananarivo)
- Vice-amiral Rakotoarisoa Marie Jean Lucien (Faritany Antananarivo)
- Imbiky Anaclet (Faritany Toamasina)
- Pr Mangalaza Eugene (Faritany Toamasina)
- Jly Manakany Sylvere Claude Regis (Faritany Toliara)
- Andreas Monique Rasoanirina Esoavelomandroso (Faritany Toliara)
- Antoine (Faritany Mahajanga)
- Soudjay Bachir Adehame (Faritany Mahajanga)
- Jean (Faritany Antsiranana)
- Manorohanta Cecile Marie Ange (Faritany Antsiranana)
- Père Ratongavao Charles Raymond (Faritany Fianarantsoa)
- Razafimanana Jean de Dieu (Faritany Fianarantsoa)
Rado Harivelo




