PolitikaSongadim-baovao

FILANKEVITRY NY MINISITRA AO FIANARANTSOA: Ifantoka manokana amin’ny laharam-pahamehan’ny fiainam-bahoaka

Taorian’i Toamasina, Mahajanga, Toliara, sy Nosy Be, dia ao Fianarantsoa indray no hotanterahina ny Filankevitry ny minisitra am-paritra, anio. Araka izany, hitarika ny delegasiona mafonja an’ny mpanatanteraka ho any amin’ny renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ifantoka manokana amin’ny laharam-pahamehan’ny fiainam-bahoaka, ny asa fampandrosoana, sy fampivoarana ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny faritanin’i Fianarantsoa ny dinika sy ny fanapahan-kevitra mandritra ity filankevitry ny minisitra ity. Ankoatra ireo mpikambana ao amin’ny governemanta izay tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, dia hanatrika izany koa ireo olom-boafidy sy tomponandraikitra ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa, fa indrindra ny avy ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Ao amin’ny “Hotel des finances”, no anatontosana izany. Ity toerana ity moa izay isan’ny fotodrafitrasam-panjakana vaovao mandravaka ny tanànan’i Fianarantsoa, ary natolotry ny Filoha Rajoelina, tamin’ny fomba ofisialy, ny volana Mey 2024.

Olona 17.000 misitraka asa sosialy

Araka ny nambaran-dRazafindrafito Lova Paupil, governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony, dia efa miomana fatratra ireo tomponandraikitra ao amin’ny Faritra, handray ny Filoham-pirenena sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Marihina rahateo fa zava-dehibe ho an’ny Faritra sy ny vahoaka ity fitsidihan’ny Filoha Rajoelina sy ireo mpikambana ao amin’ny fahefana mpanatanteraka ity.  Haharitra hatramin’ny zoma ny dian’ny Filoham-pirenena ao Fianarantsoa. Hitsidika an’ireo distrikan’i Lalangina, Vohibato, ary Ambohimahasoa, izay samy ao anatin’ny Faritra Matsiatra ambony  koa mantsy izy, mandritra izao diany izao. Araka izany, hisy ireo asa sosialy ho ataon’ny Filoha sy ny delegasiona izay tarihiny. Marihina fa ny Faritra Matsiatra Ambony no isan’ny hahazo tombondahiny amin’izany asa sosialy izany, satria dia fianakaviana manodidina ny 17.000 no hisitraka izany.

Fanjakana manakaiky vahoaka…

Hisy koa ny fitokanana fotodrafitrasa maro izay mifanojo amin’ny filan’ny vahoaka sy miantefa mivantana amin’ny vahoaka eny ifotony, ary koa mifanojo amin’ny tanjon’ny Fitondram-panjakana dia ny fotodrafitrasam-panjakana sy fahefana manakaiky ny vahoaka hatrany. Ohatra amin’izany, ny Hopitaly manarapenitra ao Alakamisy Itenina, distrikan’i Vohibato, sy ao Ambohimahasoa, distrikan’Ambohimahasoa. Eo koa ny toeram-ponenana na “dortoir”, vaovao ho an’ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa ao Andrainjato. Hisy fitokanana biraona kaominina koa, tahaka ny ao Alakamisy Ambohimaha, distrikan’i Lalangina. Ho tokanana mandritra ity fahatongavan’ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ity ihany koa ny Coliseum Fianarantsoa, izay ao Ambatomena. Izy ity izay isan’ny fanambin’ny Filoha Rajoelina ho an’ny tanànan’i Fianarantsoa. Hatrizay tokoa mantsy dia tsy mba nanana toerana ara-kolontsina lehibe, manarapenitra sy mendrika ity renivohi-paritany ity. Miova kosa izany ankehitriny, raha ny tatitra azo.

Nangonin’i Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer