
PolitikaSongadim-baovao
FILANKEVITRY NY MINISITRA : Hivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny anio
Araka ny fampahafantarana, ho arahintsika mivantana ao amin’ny pejy ofisialy sy amin’ny haino aman-jerim-panjakana, anio alarobia 08 janoary, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ny Filan-kevitry ny minisitra voalohany amin’ity taona 2025 ity. Tombanana fa isan’ny horesahina mandritra io filankevitry ny minisitra io olana ara-tsosialy ianjadian’ny vahoaka. Tafiditra ao ny resaka haintany, izay tsy mety mbola mampirotsaka ny orana. Eo koa ny firongatry ny doro tanety sy ny ny fandorana ireo ala arovana. Ho an’ny distrikan’i Brickaville, ohatra, dia tsy latsaky ny dimy ireo doro tanety, izay tsy latsaky ny 30 ha ny tanety may.
Ankoatra izay, tombanana fa ho isan’ireo hojerena manokana ny fanatontosana ireo fanamby, izay nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny kabariny talohan’ny faran’ny taona 2024. Goavana amin’ireny ny fametrahana ny « Lac Iarivo » sy ny fanarenana ny lalam-pirenena toy ny RN2 sy ny RN7. Vahaolana andrasan’ny maro ny fanafoanana ny resaka delestazy sy ny olan’ny jiro sy rano amin’ny ankapobeny. Andrasana fatratra, araka izany, ny famahana haingana ireo heverina fa tena maharary ny vahoaka.
Pierre M.




