PolitikaSongadim-baovao
FILANKEVITRY NY MINISITRA TAO NOSY BE: Nifantohana ireo asa vita sy hotanterahina ao Diana sy Sava
Tsy diso anjara amin’ny fampandrosoana tanterahin’ny Fitondram-panjakana, ny any amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy, izay dinihina ao anatin’ny filankevitry ny minisitra ao Nosy Be, nanomboka omaly. Eo amin’ny resaka rano fisotro madio, tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana sy ny fisitrahana rano fisotro madio ao Nosy-Be, tahaka izany koa ny any Antsiranana. Misy ny tetikasa lehibe, efa natomboka ao Nosy-Be, satria dia tsy ampy 1600 m3 isan’andro ny zavatra vokarin’i Nosy Be ankehitriny, nefa dia afaka ampitomboina hatrany amin’ny 4.500m3 izany, afaka taona fohy. Noho izany, misy fampiasam-bola mitentina 15 tapitrisa dolara, izay hotapahina eo amin’ny Filankevitry ny minisitra ny fanatanterahana izany asa, mba hahafahantsika miroso amin’ny asa fanavaozana sy fanatsarana ary fanamafisana ny fitsinjarana rano fisotro madio ao Nosy-Be sy any Antsiranana.
Natao laharam-pahamehana ny fampitomboana ireo fitaovana izay hamatsy rano fisotro madio ao, izay ezahina vitaina ao anatin’ny 12 volana ihany koa. Ankoatra izay, ao Nosy-Be dia hisy fitokanana maro ho atao. Ny fitokanana ny EPP izay ho atao amin’izao fandalovan’ny Filoha any an-toerana, ny fanavaozana iray manontolo ny hopitaly ao Nosy-Be, ary ny fametrahana ny « scanner », izay notapahina, ary efa tonga ao Antananarivo ny « scanner ». Manahirana ihany raha toerana lehibe, indrindra fa be mpizahatany ohatran’i Nosy Be no tsy manana « scanner » izany.
Hamoaka karatany 200.000
Hotokanana koa ny Trano Mora, izay misy 80 trano, efa vita tanteraka izany ankehitriny. Ao akaikin’izany trano izany ao Madiro, dia hametrahana ny tanana vaovao, izay betsaka no zavatra vita, ny « bloc administratif », ny toerana fitsangantsanganana sy ny toeram-pivarotana lehibe isan-karazany, dia ho hita ao anatin’izany tanàna vaovao ao Madiro izany. Hametraka ihany koa isika ny fanaovana ny « bornage massif » maro, anisan’izany ireny tanim-panjakana ireny. Ametrahana koa ny fitsinjarana ireo titra faobe ao anatin’ny fametrahana izany tsatobato izany. Mba hahafahana manatanteraka izany, dia apetraka ny Birao ifotony ny fananantany, izay hamoaka karatany hatrany amin’ny 200.000 karatany any, ho an’ny faritra Diana iray manontolo.
Ankoatra izay, tsy maintsy ampiana koa ny fikambanam-behivavy ary misy ny tetibola natokana hanampiana ireo fikambanam-behivavy, izay manana tetikasa ao Nosy-Be na ao Antsiranana, izay anisan’ny hotapahina ihany koa ao amin’ny filankevitry ny minisitra. Hatsangana koa ny borigady manokan’ny zandarimariam-pirenena, izay hanamafisana ireo tetikady napetraka, hiarovana amin’ny halatra lavanila, izay any amin’ny faritra avaratry ny Nosy, izay ho apetraka any Andapa, Antalaha, ary ao Vohémar. Horesahana any koa ary hotapahina ny mikasika ny fanamboarana ny RN6, izay miantomboka eo Ambondromamy mandra-pahatonga any Antsiranana. Ankoatra izay, dia apetraka koa ny famakiam-boky nomerika, izay ho apetraka ao Antsiranana. « Maromaro ny zavatra hodinihana fa amin’ny ankapobeny, betsaka ny ezaka atao, ary maro koa anefa ireo efa vita. Izay indrindra no nahatonga antsika tonga nitsidika ety anivon’ny distrika ohatran’izao, mba hijerevana ny asa mbola ho atao. Misy ny mbola tsy voatonona fa izay no zavatra amin’ny ankapobeny », hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
Rado Harivelo



