PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA AO VIENNE : Nampivoitra ireo tanjona ara-stratejika hivadihana amin’ny angovo madio sy azo havaozina
Ao Vienne, renivohitr’i Autriche ny delegasiona tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao manatanteraka dia. Isan’ny nanamarika ny andron’ny omaly ny fihaonan’ny Filoha tamin’ny Tale Jeneralin’ny OPEC FUND for international Development, Abdulmid Alkhalifa. Fotoana izay nahafahana namelabelatra ireo tanjona ara-stratejikan’i Madagasikara amin’ny fivadihana amin’ny angovo madio sy azo havaozina.
Nigadona ao Vienne, Renivohitr’i Autriche ny delegasiona notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ity herinandro ity. Nanamarika ny dian’ny delegasiona tamin’ny andro voalohany omaly ny fihaonana teo amin’ny Filoha sy ny Tale Jeneralin’ny OPEC FUND for international Development Abdulmid Alkhalifa. Marihina fa ny OPEC FUND dia andrimpanjakana ara-bola niorina tany amin’ny taona 1976. Firenena 12 no mpikambana ao anatiny izay ahitana an’i Algérie, Equateur, Gabon, Indonésie, Iran, Koweit, Libye, Nigéria, Arabie Saoudite, Emirats-Arabes Ubis sy i Venezuella. Tanjon’ny OPEC FUND ny miara-miasa amin’ireo firenena andalam-pandrosoana sy Vondrona iraisampirenena ho fampandrosoana ny toekarena sy sosialin’ireo firenena ireo. Anisany sehatra hiasany ny angovo, ny fotodrafitrasa, ny sakafo , ny asa, ny rano fisotro madio, ny fahasalamana sy ny fanabeazana. Firenena maro no efa niara-niasa taminy toa an’i Rwanda, Egypte, Mozambique, Panama, Asie du Sud sy i Maldives.
Anisany noresahin’ny Filoha Andry Rajoelina nandritry ny fihaonan’ny roa tonta, araka izany, ny tanjona ara-stratejikan’i Madagasikara mba hivadihana amin’ny angovo madio sy azo havaozina ao anatin’ny antsoina « transition énergétique ». Miisa telo izany paikady izany ka ny voalohany dia ny fanenana ny fampiasana ny « énergie thermique ». Ity karazana angovo ity no ampiasain’i Madagasikara amin’ny alalan’ny orinasa Jirama ho entina mamatsy herinaratra amin’ny vahoaka. Mbola ny 15%-n’ny tokantrano malagasy ihany anefa no mampiasa herinaratra amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavana. Ary 400 méga Watt ny tanjaky ny herinaratra miasa mamatsy ireo tokantrano ireo. Hampitombo avo telo na efatra heny ny famatsiana ny herinaratra amin’ny tokantrano malagasy ny fivadihana amin’ny angovo maitso sy azo havaozina, araky ny fanazavan’ny Filoha.
Fizarana “kit solaire”
Napetraky ny Filoha ho paikady faharoa ny fanakalozana ny fampiasana ny solintany amin’ny fampiasana ny fatana mandeha amin’ny angovo maitso toy ny éthanol amin’ny fandrahoana sakafo na antsoina hoe : clean cooking. Nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ho laharampahamehana izany mba ho fiarovana ireo velaran’ala hatrany amin’ny 5 hetsy hektara, araka ny fanazavana. 80%-n’ny tokantrano any amin’ny tontolo ambanivohitra no mampiasa ny solintany. Tanjon’ny Filoha ny hanafoana ny fanampiana ara-bolan’ny Fanjakana entina mandoa ny elanelana amin’ny vidin’ny solintany amidy eny an-tsena. Nohamafisiny nandritra ny fihaonana ihany koa ny fampiroboroboana ny fampiasana sy ny fizarana ny “kit solaires” amin’ny tokantrano avy amin’ny Fanjakana. Izany no natao mba hahafahan’ny tokantrano misitraka herinaratra madio.
Mitovy fijery ny roa tonta…
Tsikaritra nandritra ny fihaonana fa mitovy fijery ny roa tonta amin’ny fametrahana ho tanjona stratejikany avy ny fivadihana amin’ny angovo maitso sy azo havaozina sy ny fampiasana angovo madio amin’ny fandrahoana sakafo ao an-tokantrano na ny antsoina hoe « clean cooking ». Nangataka ny fanohanan’ny OPEC FUND an’i Madagasikara ny Filoha amin’ireo tanjona ireo. Koa Anisany fiaraha-miasa goavana hanomboka any amin’ny farany taona izay noresahan’ny roa tonta; ny hanombohan’ny tetikasa « clean cooking » sy ny fizarana kit solaire hatrany amin’ny 3 tapitrisa ho an’ny tokantrano malagasy ao anatin’ny tanjona hahazoan’ny rehetra misitraka herinaratra madio. Ny OPEC FUND izay manindraindra ao anatin’ny tanjona stratejikany ny tsy tokony hanimbana na hanapahana ny ala intsony. Miara-dalana amin’izany ny fanomezana lanja ny fahaleovan-tenan’ny vehivavy. Ary efa tafiditra anatin’ny tetikasan’ny OPEC fund ny fampiroboroboana ny « clean cooking ». Nanasa ara-pomba ofisialy ny Tale jeneralin’ny OPEC FUND ny Filoha malagasy ho avy ty Madagasikara hijerena ihany koa ireo sehatra’asa mbola azon’ny roa tonta iaraha-miasa.


