PolitikaSongadim-baovao

FILOHA ANDRY RAJOELINA : Hitafa amin’ny vahoaka malagasy anio amin’ny 8ora alina

Toy ny fanaon’ny Filohan’ny Repoblika rehefa faran’ny taona tahaka izao dia misy ny tafa hifanaovany amin’ny vahoaka malagasy ao amin’ny Fahitalavi-pirenena sy ny Radio nasionaly. Fotoana izay hanaovan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina jery todika ny taona. Ary koa hitodihana amin’ny hoavy, indrindra fa ny taona vaovao.
Azo heverina fa horesahin’ny Filoha malagasy anio ny fahatontosan’ny fifidianana roa teto amin’ny firenena tamin’ity taona ity : Fifidianana Solombavambahoaka sy ny fifidianana kaominaly. Mariky ny fampanjakana ny demokrasia eto Madagasikara, ary teboka tsara ho an’i Madagasikara ny fahatanterahan’izany tao anatin’ny filaminana tanteraka. Ankoatra izay dia tombanana koa ny hanaovan’ny Filoha Rajoelina jery todika amin’ireo fandresena ara-diplomatika maro be azon‘i Madagasikara. Ity farany izay mivadika ho fanamby ho an’i Madagasikara satria fihaonana an-tampony lehibe roa no horaisintsika amin’ny taona 2025, dia ny fivoriana an-tampon’ireo Filoham-pirenena ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indianina (COI) sy ny fihaonana an-tampon’ny SADC. Voninahitra lehibe ho an’ny firenena ny fampiantranoana izany, ka antenaina fa ny Filoha Rajoelina no hamelabelatra ny momba izany bebe kokoa anio hariva.
Ankoatra izay, lohahevitra isankarazany hafa koa no andrasana ny hiresahan’ny Filoha azy anio, toy ny fanombanana ny Governemanta, ny fitandroana ny fitoniana eto amin’ny firenena, ny fanondranana an-tsokosoko ny Harem-pirenena sy ny sisa.
Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer