PolitikaSongadim-baovao

FILOHA ANDRY RAJOELINA: « Maika ny fampandrosoana mila hapetraka eto Madagasikara”

Niaraha-nahita ny toerana rehetra nalehan’ny Filoha tato anatin’ny tapa-bolana farany izay teto amintsika. Nisy ny fandehanana tany amin’ny atsimon’ny Nosy, avy eo tany amin’ny tapany atsimo atsinanana, ary avy eo nihazo ny Faritra Sofia izay toerana nankalazana ny fetim-pirenena sy ny nanamarihana 14 oktobra. Nilaza ny Filoha, omaly, fa tsy mahatafandrimandry ny adidy ho an’ny mpiray tanindrazana. Maika, hoy izy, ny fampandrosoana mila hapetraka eto Madagasikara. « Aleoko mijery mivantana ny olan’ny vahoaka malagasy », hoy ny Filoha. Misy mantsy hoy izy ireo mpitondra zatra maniraka fotsiny,  ka tsy mahita mivantana izay tena olan’ny vahoaka. Nampanantena ny Filoha fa hanohy ny fametrahana fotodrafitrasa eto Madagasikara. Ary hanohy ny fitsidiham-paritra manerana ny Nosy.

Tohana ho an’ny fanabeazana

Etsy ankilany, nanokana tetibola ny Fanjakana hanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra, hoy ny Filoha. Nisy vola nalefa any amin’ny sekoly tsirairay avy, hoy izy. Noho izany fepetra izany, maro ireo zaza malagasy niverina an-tsekoly ankehitriny. Ankoatra izay, homena Kit Scolaire na fitaovam-pianarana koa ireo mpianatra,  hiatrehana ny taom-pianarana. Tsy ny rehetra anefa no hahazo izany fa misy lamina, hoy ny fanazavana. Nanamafy koa ny Filoha fa efa misy ny “caisse ecole” omena ny sekoly. Izany hoe, tsy hisy ny vola tokony aloan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao anatin’ny telo volana voalohany.

Fermer