PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA: Namaky bantsilana ny fitantanana tsy mety eo anivon’ny Jirama
Fanontaniana no napetraky ny Filoha Rajoelina raha toa ka tena iniana atao tokoa, na tsy fahaiza-manao no mahatonga ny fitantanana tsy mahomby sy mitavozavoza eo anivon’ny Jirama. Ny fiantraikan’izany aty amin’ny vahoaka anefa dia goavana. Ary matetika Fanjakana foibe, indrindra ny Filoham-pirenena hatrany no voateny amin’ny tandrevaka ataon’ny tomponandraikitra sasantsasany.
Toromarika napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, fony izy nanao fitsidihana teny Ambohimanambola, andro maromaro lasa izay, ny hampihenana ny fahatapahan-jiro amin’ny alalan’ny fandefasana ireo milina mpihary herinaratra rehetra azo ampihodinina amin’izany. Voalaza nandritra izany fa tokony tsy hisy mihitsy fahatapahan-jiro eo anelanelan’ny amin’ny 06ora maraina ka hatramin’ny 10ora alina.
Tsy izany anefa ny zava-nitranga na dia efa nanisy tsindrimpeo manokana aza ny Filoha. Nitohy hatrany ny “delestage”. Ary vao maika aza mafimafy kokoa noho ny teo aloha. Nitondra fanazavana mahakasika izay indrindra ny Filoha Andry Rajoelina, omaly tao amin’ny fahitalavi-pirenena. Nambarany fa antony nahatonga ny fahatapahan-jiro namaivay tao anatin’ny andro nandritra ny fiandohan’ity volana ity ny tsy fihodinan’ireo fiarabe mpitatitra solika noho fandehan’ny orinasa misy azy ireo “congé”, ary efa nilazana mialoha izany fandaharam-potoana izany ny tomponandraikitry ny Jirama. Ary raha ny tokony ho izy, noho izany, dia efa tokony niomana sy nitady fomba hafa ahafahana mamatsy solika ireto fitaovana vaventy mpihary herinaratra ny Jirama. Tsy nanao na inona na inona anefa ireo tomponandraikitry ny Jirama, raha ny fanazavan’ny Filoha, kanefa dia nijery fotsiny ny fiatohan’ny famatsiana solika. Izany tranga izany anisan’ny ohatra amin’ny fitantanana tsy milamina eo anivon’ity orinasam-panjakana ity.
Manampy trotraka ireo ny tsy fahavitan’ny orinasa Jirama mandoa ny trosany amin’ireo orinasa mpitatitra solika fa tsy maintsy miandry lalan-dava ny fanampian’ny Fanjakana foibe. Ankoatra izay , mamparefo ny orinasa ihany koa ny fisian’ireo manodina sy mangalatra solika izay tsy ampy fanarahamaso.
Tetsy ankilany, nandritra ireny fahatapahan-jiro ireny dia misy hatrany ny fandrindrana ireo toerana iharan’ny fanapahana mba hitohizan’ny fiharian’ny vahoaka. Ny nahagaga anefa tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, dia nisy fotoana niara-tapaka daholo ireo “quartier” be mponina eto Antananarivo, izay heverina fa maro mpifidy an’ny Filoha Rajoelina, toa an’Ankasina, Andohatapenaka, 67ha, Itaosy. Fifandrifian-javatra ve izany? Mampanahy ihany , satria raha nitranga teny 67ha izao efa nisy fotoana niverina ny jiro dia mbola nihetsika sy nandoro kodiarana ihany ny vahoaka. “Iza no mahazo tombontsoa amin’izany? Fantatra fa misy voakarama ireny olona ireny”, hoy ny Filoha.
Tao anatin’ny fandaharana natao omaly moa dia naverin’ny Filoha notanisaina ireo asa maika sy lavitr’ezaka efa atao ho an’ny Jirama.




