
PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA : Nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoanan’ny SADC tany Zimbabwe
Nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoanan’ireo Mpitondra Fanjakana sy Governemantan’ny SADC notanterahina tany Zimbabwe ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina omaly. Amin’ny maha mpikambana eo anivon’ny Troïka an’ity vondrona ity an’i Madagasikara dia manan-danja tokoa ny feon’ny firenena malagasy amin’ny fanolorana vahaolana sy ireo fanapahan-kevitra horaisina. Anisan’ny lahadinika nandritra izany fihaonana an-tampony izany ny hanohizana na tsia ny iraka ataon’ny SADC any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo.
Tsara ho fantatra fa Ramatoa Minisitra Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy no filoha vaovaon’ny Filankevitry ny Minisitry ny SADC, izay mahakasika ny iraky ny SADC any Congo (RDC _ SAMIDRC). Nanomboka ny volana Desambra 2023 no nanomboka nandefa iraka, hampandry tany, tany atsinanan’i RDC ny SADC noho ny tsy fandriam-pahalemana vokatry ny ady any an-toerana. Nanolo-kevitra i Madagasikara, tamin’ny alalan-dRamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny, ho vahaolana vaovao, mety amin’ny rehetra sy andraisan’ny rehetra anjara ary mifanaraka amin’ny zava-misy marina any an-toerana no hanatsarana ny famahana ny olana any RDC.
Nohamafisin’i Madagasikara ny maha-zava-dehibe ny fitadiavam-bahaolana noho ny tsy fandriam-pahalemana ho amin’ny fampandrosoana aty amin’ny faritra. Notsindriana manokana tamin’izany ny fifandalanjan’ny hetsika rejionaly sy ny fahafaha-manaon’ny firenena tsirairay, mba hifanindran-dalana amin’ny fampandrosoana sy izay mahasoa ny besinimaro. Eo ampiandrasana ny fandraisana ny fitantanana ny vondrona SADC amin’ny 2025, dia maneho firaisan-kina mba hananan’ny SADC fijery ho amin’ny ho avy mamiratra sy maharitra ary ho amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa aty amin’ny faritra i Madagasikara.
Ny Fanoratana.




