PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA: Nandray ny delegasiona mafonjan’ny « CCPPC » avy any Chine
Midika ho fahavononana ara-politika eo amin’ny firenena sinoa, amin’ny fikatsahana hevitra hampandrosoana an’i Madagasikara, ny fahatongavan’ireo delegasiona samihafa avy any Chine eto amintsika. Omaly dia nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Filohan’ny Repoblika ny delegasiona sinoa notarihin’Andriamatoa Mu Hong, Filoha Lefitry ny « Conférence consultative politique du peuple chinois » (CCPPC) sady Filohan’ny « Groupe d’amitié Chine-Afrique ». Taorian’ny FOCAC2024 sy ny fihaonana manokan’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filoha Xi JinPing farany teo, dia mihamafy orina hatrany ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Sina. Noresahana nandritra izao fihaonana izao indrindra ireo seha-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.
Tsara ho fantatra fa ny « CCPPC » dia rafitra sinoa mitovitovy lenta amin’ny Antenimierandoholona eto amintsika, izy ireo no manolo-kevitra ny Governemanta amin’ny lafiny sosialy, toekarena ary indrindra, mahakasika ireo volavolan-dalàna samihafa hapetraka eo amin’ny firenena. Izy ireo koa no misolotena ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Mivelatra amin’ny sehatra marolafy ny fiarahamiasa eo amin’ny Chine sy Madagasikara. Misongadina amin’ireo ohatra ny fambolena, indrindra ilay tanjona hampiroborobo ny fambolena vary safiotra, eo koa ny resaka fifanakalozana ara-barotra , fananganana fotodrafitrasa sy ny sisa.
Ny Fanoratana.



