
Songadim-baovao
Filoha Andry Rajoelina tao Ambovombe : « Afantoka amin’ny fampandrosoana aty Atsimo ny vola 332 Tapitrisa dolara azo »
Miroso hatrany ny fanatanterahana ny asam-pampandrosoana eto Madagasikara. Nidina ifotony any amin’ny Faritra Atsimo iny ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, nanomboka omaly, izay haharitra efarana ny diany any. Nasongadina fa afantoka amin’ny fampandrosoana any Atsimo ny vola 332 tapitrisa dolara azo. Fanadihadiana…
« Raha nanao fikaonandoha tany Fort Dauphin isika, dia zavatra goavana, tetikasa goavana no ilaina. Teo anatrehan’izany, nisy ireo nanatsatso hoe : aiza ny ahitana vola hanaovana izany? Vita foana io rehefa manana finoana ianao. Rehefa Tia tanindrazana, dia ampian’Andriamanitra ianao. Tonga io ny vola 332 Tapitrisa Dolara, ary afantoka amin’ny fampandrosoana aty Atsimo ny maro amin’izany », hoy ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ny vahoaka tao Ambovombe Androy, omaly. Nasongadiny fa efa nanao velirano tamin’ny vahoaka tao an-toerana ny tenany, momba ny fampidirana rano tany an-toerana. « Satria ny rano no ahafaha-mivelona sy midio ary aina ihany koa. Velirano no ataoko aminareo : tsy fampanantenana fa tonga dia asa no ataoko aminareo. Tsy maintsy atao ny « Pipeline » goavana mampitohy an’i Taolagnaro sy Ambovombe. Handalo an’Ankaramena, Ranopiso, Andranovory, Antanandava sud, Amboasary Atsimo, Sampona, ary tsy maintsy tonga eto Ambovombe ny rano madio », hoy izy. Ny ampahany maro amin’io vola io, dia entina hanaovana ny « Pipeline ». Efa ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara ny vola. Hiroso amin’ny antso tolo-bidy isika. Hanomboka amin’ny faran’ny taona ny RN-13. Atao godirao amin’ilay vola azontsika teo, ny lalana Ihosy – Betroka. Mila mpiara-miasa mazoto sy tanora, hanatanterahana an’io tetikasa « pepiline » io, raha ny fanampim-panazavany. « Nalaina ny minisitra Ladislas hametraka izany tetikasa izany. Nalaina koa ny minisitry ny Jono. Betsaka ny fotodrafitrasa ilaina apetraka aty Atsimo hiadiana amin’ny Kere », hoy izy hentitra.
Hanova ny tantara…
Notsiahiviny fa tamin’ny alarobia heriny lasa teo, dia nikabary teo anatrehan’ireo mpikambana eo anivon’ny Firenena mikambana. Ny alakamisy heriny lasa teo, noraisin’ny Lehiben’ny FMI tany Washington ny tenako ary nizara taminy ny fomba entina mampandroso an’i Madagasikara. Isan’ny nibahana lava indrindra tamin’ny resaka nifanaovanay tao, dia ny fampandrosoana ny faritra Atsimo iray manontolo, indrindra ny eto Ambovombe Androy. « Tsy hadinoko ianareo na ato an-tsaiko na ato am-po, na amin’ny kabary na amin’ny asa satria hanova ny tantara miaraka isika, rehefa nahazo famatsiam-bola goavana mitentina 332 Tapitrisa Dolara. Sambany tamin’ny Firenena malagasy no nahazoantsika izany famatsim-bola izany », hoy hatrany ny Filoha Rajoelina. Nisy ny mpitondra tany aloha nilaza fa kapoakany ny miresaka amin’ny mpamatsy vola, dia hoy aho hoe, ny antsika tsy amin’ny kapoaka fa tena amin’ny barika goavana maromaro. Raha avy tany amin’ny Firenena mikambana sy ny FMI ny Filoha, dia ny tany Atsimo, Ambovombe no notsidihany voalohany. Mariky ny fitiavana izany satria ny fitiavana no ahafahana mampandroso ny Firenena. Noho izany, ilaina ny mifankatia sy mifanampy ny rehetra.
Fanohanana amin’ny lafiny maro…
Nisy ny fihaonana mivantana nataon’ny Filoha tamin’ny vahoakan’Ambovombe tao amin’ny kianja manarapenitra. Tsy nohadinoina ny fanolorana kamiao « citerne » miisa efatra, nandritra izany. Notokanana ny lalana rarivato, mirefy 150 metatra, fitsidihana ny CRNM (centre de réhabilitation nutritionnelle et médicale) ka nanolorany Sakafo sy solon-tsakafo, karazam-panafody sy fiara mpitondra marary, fanomezana avy amin’ny OMS ( iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Fikambanana Fitia, Fnuap ary ny OMS). Ankoatra izay, ny fitsidihana ilay tetikasa « ceinture verte », izay tetikasan’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana, ao amin’ny fokontany Maroalimainty anatin’ny Distrikan’Ambovombe Androy ary fitokanana ny hopitaly CSBII ao Maroalipoty, Izay fokontany anaty Distrikan’Ambovombe ihany. Taorian’izay ny Filoha, nihazo an’Agnarafaly ao amin’ny kaominina Ifotaka, distrikan’ Amboasary Atsimo. Nandritra izany no nanolorany ireo « titra maitso » sy seky famatsiam-bola ho an’ny tetikasa famokarana mangahazo. Isan’ny nomen’ny Filoha famelan-tsazy ireo olona naiditra am-ponja noho ny raharaha tsena manara-penitra, izay nangatahin’ny Filoha lefitry ny fampihavanana, any Atsimo, Latimer Ranger.




