PolitikaSongadim-baovao

FILOHA ANDRY RAJOELINA: « Tsy avelako hisy handrava sy hamotika ny Firenentsika »

Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny Facebook, ny Filoha Andry Rajoelina, ny antoandro teo tamin’ny 1 ora, manoloana ny korontana sy hetsika nataon’ireo tanora mitonona ho Gen Z. Navoitrany fa « Cyberattaque » no miseholany eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Nahitsy izy nanambara fa tsy olom-pirenena tsotra no mamboly io fanakorontanana io, fa hery ivelany amin’ny alalan’ny  » agence « , izay mikendry ny fanakorontana sy fandravana ny Firenena. Tanjon’izy ireo, ny handravana ny Firenena, ka hampisehoana eo imason’izao tontolo izao, fa ao anatin’ny ady ny firenena ankehitriny, tamin’ny alalan’ny fandrobana ireo mpandraharaha sy mpivarotra ary tokantrano maro…
Tsy niolaka izy nanambara fa raha fitakiana momba ny olan’ny jiro sy rano no natao, dia nanjary fitakiana sy hetsika eny an-dalambe, mba hisian’ny fanonganam-panjakana no tian-kitodiana. Namaky bantsilana momba ny tetika hakana tombontsoa amin’ny harena an-kibon’ny tany eto amin’ny firenena koa ny Filoha Andry Rajoelina. Nambarany fa nisy mihitsy ny fifofoana ny ainy, sy ny tsy hiverenany an-tanindrazana satria tany amin’ny seranam-piaramanidina hafa izy no tonga fa tsy tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. “Tsy afaka avelako irery i Madagasikara. Tsy noho ny voninahitra no nahatonga ahy niverina eto, fa noho ny fitiavako an’i Madagasikara. Tsy avelako hisy handrava sy hampiditra korontana ny firenentsika,” hoy izy hentitra.

Nanao antso avo ny tanora sy ny mpanakanto ny tenany ary nilaza fa sao dia diso fahavalo. « Tsy tokony hifampihantsy isika, tsy tokony hifamono, fa mila mifampiaro sy mikatsaka fitoniana, fa tsy misy maniry ny fahapotehan’ity Firenena ity », hoy izy nanamafy. Nampahafantatra ny mpanao hetsika ny Filoha fa raha haneho hevitra dia tokony hatao anatin’ny fitoniana sy filaminana izany, fa aza atao anatin’ny fandrobana sy korontana. Nanipy teny izy fa efa misy olona mitondra fitaovam-piadiana ao anatin’ny hetsika. Nentaniny manokana ireo andrimasom-pokonolona, satria misy olona mikendry fanapohana « transfo » sy ny maro hafa, ka tokony ho mailo. Mbola namerina ny fifonany tamin’ny vahoaka malagasy izy, ary nanentana hatrany ny vahoaka malagasy na eto an-toerana na any ivelany, mba hitondra am-bavaka ny Firenena, tsy ho latsaka lalina ao anatin’ny fahasahiranana.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer