PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA : Voahosotra ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo aty Afrika indray
Mbola voahosotry ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD), miaraka amin’ny fikambanana « Big Win Philanthropy », ho « tompondakan’ny fanjarian-tsakafo » aty Afrika indray ny Filoha Andry Rajoelina, noho ireo ezaka goavana ataony momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy.
Goavana ireo ezaka nataon’ny Filoha Andry Rajoelina momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Noho ny fahitana izany indrindra no nahatonga azy indray voahosotra ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo aty Afrika. Ireo no nivoitra nandritra ny fihaonan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Filoha Lefitry ny BAD, Ramatoa Marie-Laure Akin-Olugbade niaraka tamin’ ny Filoha mpitarika ny Fikambanana Amerikana « Big Win Philanthropy » Ramatoa Jamie Cooper omaly tany Washington DC Amerika.
Tsiahivina fa efa nanomboka ny taona 2019 no notendren’ny BAD io andraikitra maha tompon-daka io ny Filoha ka noho ny fahitana ny ezaka nataony nandritra ny 3 taona nifanesy indrindra tany Atsimon’ny Nosy no antony nanamafisana izay maha-tompon-daka azy izay. Anisan’izany ny nananganana niaraka tamin’ny Fikambanana Fitia ny ozinina Nutrisud izay mamokatra fanampin-tsakafo be otrikaina ho an’ny zaza tsy ampy sakafo. Ireo fanampin-tsakafo ireo dia zaraina maimaim-poana ho an’ireo zaza tsy ampy sakafo ireo any an-tsekoly, mba hahafahana mampihena ny tahan’ny zaza voatery mijanona tsy mianatra noho ny tsy fahampian-tsakafo. Herintaona taorian’ny nitsanganan’ny Nutrisud dia efa nisy fiakarana 30% ireo zaza manohy fianarana any an-tsekoly.
« Titre vert » sy « pipeline »
Ezaka nataon’ny Filoha ihany koa ny fanaovana ny tetikasa « titre vert » ho an’ny fianakaviana tena marefo, ka hanomezan’ny Fanjakana tany azy ireo, eo anelanelan’ny 1.000 ka hatramin’ny 5.000 m2 sy fitaovana fambolena ary biby fiompy ahafahan’izy ireo manangana fihariana ka tsy ho voasarika hitsoam-ponenana hiala any atsimon’ny Nosy intsony. Efa nanomboka ny tetikasa andrana mikasika azy ity ka fianakaviana miisa 2.000 no efa nisitraka azy. Teo koa ny fanombohan’ny fanamboarana ny fantson-drano lehibe na « pipeline » miainga any Efaho Tolagnaro ka hatrany Ambovombe Androy, mirefy 92 km ary hamaha ny olan’ny rano ho an’ny mponina any Atsimo. Marihana fa herintaona no faharetan’io asa fanamboarana io.
Hanampy ny « Big win Philanthropy »
Noho ireo antony ireo, sy ny fahitan’ny BAD ary ny Big Win ny haitarika sy ny finiavana lehibe hananan’ny Filoha no nahatonga ny fangatahana fanosorana azy indray ho « Champion de la Nutrition » aty Afrika. Nanaiky ny fanamafisana ny fangatahana natao taminy ny Filoha ary izy no Filoham-pirenena Afrikana fanineniny (6è) mitana io andraikitra io manerana ny kaontinanta Afrikana. Nanambara ny Filohan’ny « Big win Philanthropy » fa hanampy ny Filoha Rajoelina amin’ireo tetikasa hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo manerana ny Nosy, ka faritra 5 aty am-piandohana no hosafidiana hanaovana tetikasa tarika (projets pilotes), ireo izay tena manana olana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Ny « Big Win Philanthropy » dia fikambanana tsy miankina iraisam-pirenena miara-miasa amin’ny BAD mitady famatsiam-bola hoentina manampy ireo firenena hita fa miezaka amin’ny fanatsarana ny fiainan’ireo zaza sy tanora amin’ny ankapobeny. Ny sehatry ny fambolena entina manatanteraka ny fanjarian-tsakafo sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo maneran-tany no tena iasan’izy ireo. Manana traikefa lehibe izy ireo tamin’ireo firenena afrikana hafa tahaka an’i Ethiopie izay nampian’izy ireo niady tamin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary nahitam-pahombiazana tanteraka. Naneho fahavononana feno ny BAD sy ny Big Win Philanthropy hifanome tanana amin’i Madagasikara, amin’ny faran’ny volana Janoary 2023 dia efa hisy ny fihaonana antampon’ireo Filoham-pirenena Afrikana ao anatin’ny Vondrona Afrikana any Dakar Senegal, ka amin’izay no hampahafantaran’i Madagasikara ny tetikasa novolavolain’ny fitondram-panjakana ho an’ireo faritra 5 voafantina hanombohana ity fiarahamiasa iraisam-pirenena ity.




