PolitikaSongadim-baovao
FILOHA FRANTSAY EMMANUEL MACRON : Hitsidika manokana ny Lapan’Andafiavaratra sy ny Rovan’i Madagasikara
Tsy ho ela intsony ! Isan’ireo nasian’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina mivantana resaka, omaly nandritra ny fananganan-tsaina nataony niaraka tamin’ireo mpiara-miasa taminy tetsy Anosy, ny fahatongavan’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron ho tonga eto Madagasikara, afaka andro vitsivitsy. Mahakasika mivantana ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fitsidihana izay hotontosain’ny Filoham-pirenena Frantsay, ity, eto Madagasikara. Araka ny angom-baovao, toerana roa no hotsidihany, anisan’izany ny lapan’Andafiavaratra sy ny Rovan’i Madagasikara, araka ny nambaran’ ny minisitra, Mara Volamiranty Donna. Ao amin’ny lapan’Andafiavaratra no hanatanterahana ny fihaonan’ny Filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, sy ny Filoham-pirenena Frantsay, Emmanuel Macron, miaraka amin’ireo tanora malagasy miisa 100. Ady sisika goavana no nataon’ny Fitondram-panjakana nahafaha-nandresy lahatra ny fanjakana frantsay tamin’izany. Hitsidika ny Rovan’i Madagasikara koa izy mandritra ny fandalovany eto Madagasikara, ary hihaona amin’ireo “Communauté royale”, handinika ny zavatra niainana hatramin’izay sy ny fijery vaovao mitodika ho an’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Lafrantsa.
Mitaky fifarimbonana…
Tomponandraikitra amin’ny fanentanana ho amin’ny hetsika rehetra, izay karakarain’ny Fitondram-panjakana sy ny fampahafantarana ny zava-bita, izay mitondra mankany amin’ny fampandrosoana ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tanjona amin’ireo hetsika roa goavana hototonsaina, ny fandraisana ny fitsidihana izay ho tanterahan’ny Filoham-pirenena frantsay, ny 23 aprily ho avy izao ary ny fihaonamben’ny Ranomasimbe indrianina, ny 24 aprily 2025. Nentanin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ireo mpiara-miasa, hilatsaka an-tsitrapo ny fifarimbonana, ao anatin’ny fifankatiavana tanteraka, tsy an-tery, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanomanana izany fandraisana izany. Hijoro isika, tsy ho menatra, ary indrindra hiaro ny voninahitr’i Madagasikara, hoy izy nanantitrantitra. Ankoatra izay, noresahany koa ny mikasika ny fahombiazan’ny hetsika ho an’ny sarimihetsika sy ny teatra, izay nahavitana nampitambatra ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy.
Nangonin’i Pierre M.



