PolitikaSongadim-baovao

FILOHA RAJOELINA ANY MAHAJANGA : Natomboka ny fametrahana ny « parc solaire » sy ny asa fanamboarana ny seranan-tsambo

Natomboka amin’ny fomba ofisialy omaly, ny fametrahana ny « parc solaire » sy ny asa fanamboarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no nitarika ireo lanonana roa sosona ireo omaly tolakandro. Ny fanombohana ny asa fanamboarana ny « parc solaire », izay ao amin’ny Fokontany Manjarisoa. Mahatratra hatramin’my 5 Mgw ny tanjak’izany, ka ny 3 Mgw dia vokarin’ilay « parc solaire ». Izy io dia hamatsy herinaratra an’i Mahajanga amin’ny andro antoandro. Ary ny 2  Mgw dia entin’ireo « batteries de stockage » izay ho atoby ao Amborovy. Ho ampiasaina mandritra ny “heure de pointe” ny hariva, izay maharitra adiny telo. Raha hazavaina tsotra, ankoatra ny famatsiana herinaratra ho an’ny isan-tokantrano dia mamatsy ireo « batteries de stockages » koa ilay « parc solaire ».

 Fitsitsiana 5.313.092.000 Ariary isan-taona

Araka ny nambaran’ny Filoha, dia tsy hisy intsony ny olana amin’ny famatsiana herinaratra noho ny tsy fahampian’ny solika, na ny fahasimban’ny milina mpamatsy herinaratra ao Mahajanga, rehefa hiasa ity « centrale solaire » ity. Ahafahana manena ny fandaniam-bola amin’ny fividianana solika hamatsiana ireo milina mandeha amin’ny gazoala koa ity fotodrafitrasa ity. Mitentina 5.313.092.000 Ariary isan-taona ny fitsitsiana noho ny fampiasana ito angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ity ao Mahajanga. Isan’ny manana tombony amin’ny fibaliakan’ny masoandro saika ho mandavantaona i Mahajanga. Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa fananganana « parcs solaires » mahatratra 50 Mgw amina toerana maromaro eto Madagasikara ity atao eto Mahajanga ity. Ny tanjon’ity tetikasa ity moa dia ny hanena ny famokarana herinaratra avy amin’ireo milina mihodina amin’ny solika, ny tsy isian’ny fahatapatapahan-jiro intsony, sy fanamafisana tosika ny fampiroboroboana ara-toekarena sy sosialy.

Laharam-pahamehana ny seranan-tsambon’i Mahajanga

Taorian’ny lanonana fanombohana ny asa fanamboarana ny « parc solaire »,  natomboka tamin’ny fomba ofisialy koa ny asa fanamboarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Mbola ny Filoha Andry Rajoelina hatrany no nitarika izany. Ny seranan-tsambo sy ny ampahany amin’ny « quai », izay antsoina hoe « quai Vuillemin », izay mirefy 255m no voakasiky ny fanamboarana. Izany dia noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa sy ny fahasimbana nateraky ny rivo-doza Alvaro, tany amin’ny faran’ny taona 2023.  Mitentina 5 tapitrisa dolara ny asa fanamboarana ary tafiditra ao anatin’ny PCMCI na « Projet Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive », izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola izany. Notsindrian’ny filoha Rajoelina fa nomarihiny ho isan’ny laharam-pahamehana nandritra ny fifampiresahana t@ Banky iraisam-pirenena ny fanamboarana ity serana-tsambon’i Mahajanga ity. Izy ity mantsy no faha telo lehibe indrindra eto Madagasikara aorian’i Toamasina sy Eoala ao Tolagnaro. Nomarihin’ny Filoha Rajoelina koa fa varavarana misokatra amin’ny Afrika Atsinanana koa ity seranan-tsambo ao Mahajanga ity. Latsaky ny 600 km i Mahajanga mankany Mozambique, Tanzanie », hoy ny Filoham-pirenena. Azo atao tsara, araka izany, ny mampiasa ity seranan-tsambo ity ho toerana fiaingan’ireo entana aondrana mandeha any Afrika Atsinanana. Tiana ny manamarika fa, ankoatra ireo minisitra tomponandraikitra, dia solombavam-bahoaka maro  koa no niara-dia taminy nandritra ireo lanonana ireo. Isan’ireo nanatrika izany koa ny governoran’Analamanga sy ny ny an’ny faritra Sofia.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer