PolitikaSongadim-baovao
FILOHA RAJOELINA MIVADY TANY RWANDA: Manamafy orina hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta
Notontosaina omaly tao Kigali, Renivohitr’i Rwanda ny lanonam-pianianan’ny Filoha Rwandais, Paul Kagame, izay lany faninefany indray hitantana an’i Rwanda. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany ny Filoha Andry Rajoelina mivady, izay manamafy orina hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta.
Tonga nanome voninahitra ny lanonam-pianianan’ny Filoha Rwandais, Andriamatoa Paul Kagame, tany Kigali ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Vadiny. Ny Filoha Kagame izay lany faninefany hitondra an’i Rwanda indray, ary nanasa manokana ny Filoham-pirenena. “Ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ity lanonana manan-tantara ho an’i Rwanda ity dia manamafy orina hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta, ary indrindra manamafy ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena afrikanina izay imasoan’ny Filoha Andry Rajoelina”, hoy ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
Filoha afrikanina 20
Nampiseho ny tanjany sy ny maha andrarezina azy i Rwanda nandritra ny lanonam-pianianan’i Paul Kagame. Vahoaka analiny no nanotrona azy tao amin’ny Kianja “Amahoro Stadium” ao Kigali. Filoham-pirenena afrikanina manodidina ny 20 eo ho eo, miampy ireo Filoham-panjakana ampolony no namaly ny fanasan’i Rwanda. Tafiditra tao anatin’izany ny Filoha malagasy mivady.
Tsara ho fantatra fa tamin’ny salanisa avo dia avo 99,18% no nahalany indray ity Filoha Rwandais ity nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena natao tany an-toerana ny 14 sy 15 jolay lasa teo. Izy izay efa nitantana an’i Rwanda tao anatin’ny 30 taona.
Mitovy vina
Eo amin’ny lafiny diplomasia dia nifampitondra toy ny mpirahalahy i Madagasikara sy Rwanda. Efa indroa miantoana ny Filoha malagasy Andry Rajoelina no nasain’ny Filoha Paul Kagame tany Rwanda, izay niompana tamin’ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika sy ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta no tanjon’izany. Ny taona 2019 koa dia efa taty Madagasikara ny Filoha Kagame, nanatrika ny fankalazana ny fetim-pirenena tamin’io taona io. Marihina fa manana vina itovizana ny Filoha Rwandais sy ny Filoha malagasy, dia ny fanafainganana ny fampandrosoana ny firenena, sy ny fiarovana ny tombontsoan’i Afrika.
Araka ny fantatra moa dia tokony hisy ny fihaonana manokana eo amin’ny Filoha roa tonta mandritra izao dian’ny Filoha Andry Rajoelina any an-toerana izao.




