SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FILOHA TAO TOLAGNARO: Nanolotra fanampiana ara-tsakafo ireo fianakaviana sahirana
Ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialin’ny taom-pambolen-kazo 2021-2022, ny 19 Janoary teo no nanombohan’ny Filoha Andry Rajoelina ny diany tao amin’ny renivohitry ny Faritra Anosy. Namarana ny diany tany an-toerana omaly ny Filoha, tamin’ny alalan’ny fanomezana fanampiana ireo fianakaviana sahirana tao Tolagnaro, sy ny fametrahana “Wifi” teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’I Tolagnaro.
Fianakaviana sahirana maro avy any amin’ny faritra Androy, tonga miakatra ao Tolagnaro hikaroka fivelomana ao an-toerana no notoloran’ny Filoha Andry Rajoelina fanampiana ara-tsakafo, nandritra ny diany tany an-toerana. Mandray an-tanana ireo fianakaviana sahirana ireo ny fikambanan-dry Masera Fille de la Charité – Sahan’i Maria ao Tolagnaro izay isany fikambanana miara-miasa akaiky amin’i Père Pédro Opeka eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny antom-pijoroan’ny fikambanana ny fanoloran-tanana ireo izay mila izany. Vitsy ireo fianakaviana nanatona an-dry Masera tany am-boalohany ary nitombo tsikelikely izany noho ny zava-misy any Atsimo. Mahatsapa ny Fikambanan’ny Masera Fille de la Charité fa mandray ireo fianakaviana ho zanaka sy havana ny Filoham-pirenena amin’izao fanampiana entiny izao. Nampanantena ny fikambanana fa ho zaraina ara-drariny ary ho tonga amin’ny fianakaviana mila izany ny fanampiana. Etsy ankilany, hifanome tanana amin’izy ireo amin’ny fizarana ny ao anatin’ny Fikambanan’i Md Vincent de Paul. Araka izany, mahatsiaro tena tsy irery ireo fianakaviana sahirana ireo miatrika ny fahasahiranana noho ny haintany sy ny tsy fanjariantsakafo. Tsy maintsy hojerena ny fomba hahafahana mamonjy azy ireo araka ny toromariky ny Filoha nandritry ny fanomezana ny fanampiana. Efa nanainga afak’omaly ihany koa ny Caravane du Sud hitondra ny sakafo, rano, fanafody hamonjena ny mponina ao Androy sy Anosy tratry ny tsy fanjariantsakafo sy ny kere, araka ny toromariky ny Filoha.
Notokanana ny “hotspot wifi”
Notokanan’ny Filoha androany ihany koa ny hotspot wifi na ny toerana misy “connexion internet” maimaimpoana ao Tolagnaro. Napetraka manoloana ny Lapan’ny Tanana ny faritra mahazo ny “connexion internet” izay misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ny tanora. Efa tamin’ny fotoanan’ny Tetezamita no nametraka fanamby ny hisian’ny “fibre optique” ao Tolagnaro ny Filoha. Veliranony ihany koa ny hanao an’i Madagasikara ho maoderina sy mivoatra amin’ny lafiny teknolojia sy ny fifandraisan-davitra. Araka izany, tanjon’ny Fotodrafitrasa ny hanampiana ireo tanora amin’ny fikarohana sy ny fianarana ary ny fifandraisana. Voarara kosa ny fitsidihina ireo pejy mamoafady na voarara ho an’ny zaza latsaky ny 18 taona. Efa misy ny fitsirihina manokana izany ho an’ireo mampiasa ka lavina avy hatrany ny fidirana amin’ireny pejy ireny. Marihana fa nifarana omaly ihany koa ny fitsidihina ny Faritra Anosy nataon’ny Filoha.



