Songadim-baovaoSosialy
FILOHAM-PIRENENA MIVADY Mahatsiaro manokana sy manolotra tohan’aina ireo mararin’ny Covid-19
Mitondra herin-tsaina lehibe sy fanantenana ho an’ireo mpiray tanindrazana ao anaty fitsaboana ny Covid-19 ny fahatsiarovana manokana sy ny tohan’aina avy amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady. Nanomboka ny sabotsy lasa teo no nizarana izany any amin’ireo toerana mandray an-tanana ireo mararin’ny Covid-19 rehetra eto Antananarivo sy any amin’ny Faritra.
Mahatsiaro manokana sy miray fo amin’ireo mararin’ny Covid -19 rehetra ny Filoham-pirenena mivady ka nanolotra tohan’aina ho azy ireo. Nanombohana izany ny teny amin’ny CTC- Alarobia ho an’ny sabotsy teo. Marary miisa 220 no nisitraka ny tohan’aina tamin’ny fiatombohany. Hahazo izany avokoa anefa ny mararin’ny Covid-19 rehetra, araka ny toromariky ny Filoha, fa tsy hijanona eto Antananarivo ihany. Hisy ihany koa araka izany ny fizarana ny tohan’aina ho an’ ireo mararin’ny Covid-19 rehetra hatrany amin’ny Faritra. Hisitraka ny tohan’aina ihany koa ny mararin’ny Covid-19 eny anivon’ny Hopitaly fa tsy ny eny amin’ny CTC ihany akory.
Ny tohan’aina azon’ny marary tsirairay dia ahitana Yaourts 6, tantely na confiture iray boite, sokola 2 lasitra, vovo-dronono 500g, Spiruline 30g, Gel Hydro alcoolique vita amin’ny huilles essentielles 1, menaka ravintsara 1, Baume fosa 2, Plaid 1, izay natao ao anatin’ny harona iray. Nametraka hafatra sy fankaherezana manokana isaky ny marary ihany koa ny Filoha mivady ho fampatsiahivina azy ireo fa tsy irery ireo marary miatrika ny aretina sy ny fitsaboana.
Tsy miatrika ady irery ny Vahoaka malagasy
Omaly ihany dia efa nitohy nizarana ity fanomezana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika mivady ity ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, tamin’ny fitetezana ireo CTC-19 sy Hopitaly mandray an-tanana ireo mararin’ny Covid-19. Samy nandray izany avokoa ireo marary efa nandalovana, niaraka tamin’ny fanomezana lamba noho ny efa fidirantsika amin’ny vanim-potoan’ny ririnina.
Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy miatrika irery ity ady lehibe amin’ity fahavalo tsy hita maso ity ny vahoaka Malagasy fa eo anilany mandrakariva ny Fitondram-panjakana ary tsy manadino azy ireo. “Manao ny ezaka rehetra ny Fanjakana ary tsy mitarain-tana-miepaka amin’ny fametrahana ny paikady sy ny lamina hamongorana ny Covid-19 mba hitsinjovana ny vahoaka ihany koa. Fotoanan’ny firaisankina izao sy ny fifampitsinjovana. Ny fiaraha-mientana sy ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay no hahafahantsika mandresy ity valanaretina ity”, hoy ny fanazavana.
Ny Fanoratana.
Amin’izao fiatrehanao izao valanaretina izao dia mahatsiaro anao manokana izahay. Koa am-pitiavana no anoloranay mivady ity fanomezana ity ho anao. Manan-danja lehibe aminay ny fahasalamanao ary mitondra anao am-bavaka izahay amin’izao ady atrehinao izao. Mankahery ary mirary soa sy fahasitranana aingana ho anao; Ny Filoha Andry RAJOELINA mivady.




