Songadim-baovaoSosialy

FILOHAN’NY ANTENIMIERANDOHOLONA Nijery manokana ireo zokiolona tao Ambohimanjaka Mahitsy

Mitohy hatrany ny fitsidihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ireo kaominina izay eo ambany fiahian’ity Andrimpanjakana ity. Nojereny manokana ny alahady lasa teo, ireo zokiolona tao amin’ny kaominina Ambohimanjaka, distrikan’i Mahitsy, manoloana ny maha vaovao ny taona. Toy ny fanaony, nitondra fanomezana ho azy ireo ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ary jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro fampiasa ao an-tokantrano no natolony tamin’izany mba hialana amin’ny fampiasana jiro kapoaka mety hiteraka tsy fahasalaman’ny tratra sy fahamaizana tampoka. Tao koa ny jiro hapetraka eny am-pidirana sy fivoahana ny tanàna. Zokiolona manodidina ny 50 tao amina fokontany miisa sivy tao an-toerana no nisitraka izany, raha ny fantatra. Nosafidian’Andriamatoa Razafimahefa Herimanana, amin’ity taona ity, ireo zokiolona, mba ho fanomezan-danja azy ireo manoloana ny fahanterany sy ny faharefoany. Nomeny jiro manokana koa ireo mpiompy omby hiadiana amin’ny asan-dahalo mety hitranga amin’ny alina. Nankasitraka hatrany ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny Filohan’ny Antenimierandoholona tamin’izao hetsika nataony izao, noho ny fisian’ny dinika nifanaovan’ny roa tonta mikasika ny laharam-pahamehan’ireo kaominina any ambanivohitra, dia ny fiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana mampitaraina loatra ny vahoaka, toy ny asan-dahalo. An-kilan’izany, nisaotra ny Filoha sy ity tompon’andraiki-panjakana tonga tany an-toerana ity, ireo zokiolona, manoloana izao fihetsika mitsinjo ny vahoaka marefo izao. Ankoatra izany dia nisitraka lelavola avy taminy koa ireo fikambanam-behivavy tao an-toerana, ho fanohanana azy reo sy ho fiarahabana sahady amin’izao ankatoky ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy (08 marsa) efa antomotra izao.

Fermer