PolitikaSongadim-baovao
FILOHAN’NY ANTENIMIERANDOHOLONA : « Tsy mitondra fampandrosoana ny fiaraha-mitantana »
Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny noho ny fanetsiketsehana vahoaka miharo fanakorontanana ataon’ny avy amin’ny fanoherana tato anatin’ny andro maromaro. Fanoherana izay tonga hatramin’ny fangatahana Governemanta hiaraha-mitantana. Nilaza ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly, fa matetika fitadiavan-tseza fotsiny ihany no tanjon’ny fiaraha-mitantana eto amintsika fa tsy hanasoavana firenena.
Mipoitra tsikelikely ny antony mampitabataba ny mpanohitra ankehitriny. Nambaran’ny avy amin’ny fanoherana, andro vitsy lasa izay, fa mitaky Governemanta fiaraha-mitantana izy ireo fa tsy mahandry fifidianana ny taona 2023. Izany hono no vahaolana hitan’izy ireo ary izay no antony hiarahan’izy ireo ao amin’ny Miara-Manonja sy amin’ny Filoha teo aloha Ravalomanana. Efa mazava, araka izany, fa fitadiavana seza no anton’ny handrebireben’izy ireo vahoaka, ary voamarina fa olona naloan’ny vahoaka sy very seza izy ireo, satria zatra ny lalan-dririnina tany amin’ny tetezamita.
Ankehitriny, mitady ny fomba rehetra hanembantsembanana ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara ny antoko mpanohitra, rehefa tsy nahomby tamin’ny fangatahana ny fametraham-pialan’ny Filoha. Mibaribary ny paikadin’ny mpanohitra fa atao ny fomba rehetra tsy hahatanteraka ireo tetikasam-panjakana, mba hitsinjovana ny fifidianana amin’ny 2023. Ary mbola kajikajy politika maloto mifanaraka amin’izany ihany koa io fangatahana fiaraha-mitantana io. Tsy mitondra mankany amin’ny fampandrosoana anefa ny fiaraha-mitantana, araka ny fanadihadiana. Tsy misy fijerena tombontsoam-bahoaka fa saika nametraka kajikajy maloto ho fanomanana ny fifidianana hatrany, no nisy teto amintsika rehefa mandalo vanim-potoana toy izany. Tsy misy afatsy ny fanajana ny lalàmpanorenana amin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika irery ihany no hahafahana manavotra ny firenena. Nanazava ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa tsy ilain’ny firenena intsony izany fitadiavan-tseza izany ankehitriny. Tokony hiandry amin’ny taona 2023 izay te hitondra firenena, hoy izy.
Andrasana, araka izany, izay ho tohin’ny tantara. Ny tsikaritra aloha dia hita efa mampidim-peo ny mpanohitra. Asa na vokatry ny fampiantsoana nahazo an’ingahy Andrianjato Vonison na tahotra fotsiny tsotra izao ka dia lasa mahay mandamindamin-dresaka indray. Tsy manala ireo teny tsy voahevitra sy tsy fanarahan-dalàna rehetra efa natao anefa izany. Fehiny, tsy mendrika korontana intsony ny Malagasy.
Ny Fanoratana.




