Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao
FILOHAN’NY CAF, AHMAD: Naaton’ny Fifa mandritra ny 5 taona
Vaovao nanaitra ny maro, nanomboka ny tapak’andro harivan’ny omaly, ny fivoahan’ny vaovao tao amin’ny tambazotran-tserasera, sy ireo haino aman-jery iraisampirenena milaza fa niharan’ny sazy avy eo anivon’ny Federasiona iraisampirenena momba ny baolina kitra (Fifa) ny Filohan’ny Kaonfederasiona Afrikanin’ny Baolina Kitra (Caf), Ahmad. Heloka maro no hanenjehana ity tomponandraikitra ity, hatramin’ny fotoana nitantanany ny Caf.
Araka ny tapaky ny komitin’ny etika eo anivon’ny Fifa, miato tsy afaka misehatra eo amin’ny tontolon’ny Baolina kitra mandritra ny dimy taona ny Filohan’ny Caf ankehitriny, Ahmad Ahmad. Mihatra izany, na eo amin’ny sehatra iraisampirenena na eto Madagasikara. Araka ny fanazavana, hadisoana maromaro natao tamin’ny fitantanana teo anivon’ny Caf hatramin’ny fotoana naha filoha azy no antony nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Isany nisongadina tamin’izany ny fanodinkodinam-bola, tsy fanaovana ny asany tam-pahitsiana, fizarana fanomezana sy tombontsoa tsy ara-drariny, fanararaotam-pahefana. Ankoatra izay anefa, mbola mandoa onitra 185.000 Euro koa ity filohan’ny Caf ity noho io raharaha fanodinkodinam-bola tsy nahafahany niala io. Raha tsiahivina, tamin’ny volana jona 2019 dia efa notanana vonjimaika natao fanadihadiana tany Frantsa noho ny raharaha kolikoly ity teratany malagasy nitantana ny Caf ity, saingy tsy lasa lavitra ny raharaha tamin’izany. Amin’izao fotoana izao, nilatsaka ity sazy henjana avy any amin’ny Fifa ity, izay tsy nampoizin’ny mpanara-baovao ihany. Tsara ho fantatra fa efa ho tapitra ny fe-potoam-piasan’I Ahmad amin’ny taona ho avy io. Ary efa nilaza ny firotsahany ho fidiana indray ho eo amin’izany toeran’ny Filohan’ny Caf izany ny tenany.
Nisy ireo raharaha nanamarika ny fitantanan’ny Filohan’ny Caf am-perinasa, raha ny fanadihadiana natao teo anelanelan’ny taona 2017 sy 2019. Saika olana nifandraika tamin’ny fitantanana ny Caf no nahavoasaringotra azy tamin’izany. Tafiditra ao anatin’izany ny famatsiam-bola ny fivahinianana masina tany La Mecque, ny fifandraisany tamin’ny orinasa ara-panatanjahantena Tactical Steel, sy raharaha hafa.
Tsara toerana
Amin’ny volana marsa 2021 izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Caf vaovao indray. Efa eo am-panomanana ny firotsahan-kofidiany indray ny Filohan’ny Caf izao niharan’ny sazy izao. Federasionina 46 amin’ireo 54 eto Afrika anefa no efa nanao fanambarana fanohanana azy amin’izany fifidianana izany. Izany hoe, anisan’ireo kandida tsara toerana hahazo indray ny toeran’ny Filohan’ny Caf, noho izany, ity teratany malagasy ity. Voatery hisitaka amin’ny tontolon’ny kitra anefa izany i Ahmad raha tsy misy ny fiovana, ary tsy afaka hirotsaka hofidiana koa. Na izany aza, mbola afaka mampiakatra ny raharaha eo anivon’ny « Tribunal arbitral du sport » i Ahmad. Andrasana ny ho tohin’ny raharaha…




