PolitikaSongadim-baovao

FILOHAN’NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRY NY SADC: Hisahana ny andraikitra mandritra ny herintaona Rtoa Rafaravavitafika Rasata

Nosokafana omaly teny amin’ny CCI Ivato, nandritra ny lanonana ofisialy, ny asan’ny Filankevitry ny Minisitra ao amin’ny Vondrona Fampandrosoana aty amin’ny tany Atsimon’i Afrika (SADC), andro vitsy mialoha ny Fivoriana faha-45 ho an’ny Filoha sy ny Governemanta, izay kasaina hatao amin’ny alahady ho avy izao. Nisy, araka izany,  ny lahateny nifandimbiasana. Nanomboka izany ny Sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny SADC. Nitohy tamin’ny lahatenin’ny Profesora Amon Murwira, filoha teo aloha ny Filankevitry ny Minisitra sady Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Varotra Iraisam-pirenena ao amin’ny Repoblikan’i Zimbabwe izany. Lahateny izay nitanisany ny zava-bita, ny tetikasa notanterahina ary ny fanamby natrehina. Izy no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fivorian’ny filankevitry ny Minisitry ny SADC ity. Ny tena nanamarika ny fandaharam-potoana omaly moa, dia ny fifamindram-pitantanana teo amin’ity filoha teo aloha ity sy ny filoha vaovaon’ny Filankevitry ny Minisitry ny SADC, dia ny Dr Rafaravavitafika Rasata, Minisitry ny Raharaham-bahin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nomarihina tamin’ny fivelesana “marteau” ity fifamindram-pahefana ity, izay fomba fanao eo anivon’ny SADC. Ny filoha teo aloha, dia mively takelaka hazo amin’ny “marteau”, mba ho famantarana fa tapitra ny fe-potoana fiasany. Ny filoha vaovao dia mively izany avy eo, mba hanamarika ara-pomba ofisialy ny fanombohan’ny fe-potoam-piasany. Manomboka izao, araka izany, ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, ny Dr Rasata Rafaravavitafika dia hisahana ny andraikitra filohan’ny Filankevitry ny Minisitra mandritra ny herintaona, nanomboka omaly,  ka hatramin’ny Aogositra 2026.

Famoronana asa sy tombontsoa…

Raha vantany vao nandray ny toerany moa ny filoha vaovao, dia nanao lahateny fankatoavana. « Amim-boninahitra sy amin’ny fahatsapana ny andraikitra lehibe no hanekeko, amin’ny anaran’ny Repoblikan’i Madagasikara, ny iraka ambony hitarihana ny Filankevitry ny Minisitra ao amin’ny SADC. », hoy izy. Naneho fankasitrahana ny asa nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny zimbaboeanina, izay nitarika ny filankevitry ny ministry ny SADC nandritra ny taom-piasana lasa teo, izy.

Tanjona napetrany ny fampiroboroboana ny indostria hamoronana asa sy tombontsoa, ny fanatsarana ny fambolena ho fanomezana sakafo ho an’ny faritra, ny fampiasana angovo azo havaozina sy maharitra, ary ny fanamafisana ny fiadiana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny olana ara-toekarena sy ara-piarovana. Hisy koa ny fanomezana lanja manokana ny fanekena sy fampidirana feno ireo Nosy, izay matetika voafetra amin’ny politikam-paritra, mba hahafaha-mampifandray tsara ny harena an-dranomasina, ara-toekarena, sy ara-kolontsaina miaraka amin’ny hery ara-pambolena sy indostrialy avy amin’ireo firenena any an-tanety.

Hamahana ireo olana marolafy…

Nanamafy ity Minisitra malagasy ity fa tsy maintsy misy fiaraha-miasa sy firaisan-kina eo amin’ny firenena mpikambana, mba hamahana ireo olana, toy ny fanarenana ara-toekarena taorian’ny valanaretina Covid, ny fiarovana ny faritra, ny ady amin’ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, ary ny tsy fandriampahalemana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanamafy izy fa ny hetsika iombonana sy ny fampitambarana ireo loharanon-karena no fototra hanatanterahana ireo tanjona ireo ho amin’ny tombontsoa maharitra ho an’ny vahoaka. Ny filohan’ny filankevitry ny minisitry ny  SADC vaovao dia naneho fankasitrahana tanteraka tamin’ny asa ataon’ny Sekreteram-panjakana ao amin’ny SADC sy niantso ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandray anjara rehetra mandritra ny fitondran’i Madagasikara ity Filankevitry ity. Hitohy mandritra ny roa andro moa ny asan’ny Filankevitry ny ministry ny SADC ity. Ny alakamisy ho avy izao no hifarana izany.  Raha tsiahivina, ny Filankevitry ny minisitra ao amin’ny SADC dia fivoriana tsy tapaka avo lenta iarahan’ny minisitra avy amin’ireo firenena mpikambana 16 ao amin’ny SADC.

Nangonin’i Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer