Songadim-baovaoToekarena
FINDRAMAM-BOLA AMIN’NY BANKY: Lasa handoavana hetra 20% ny zana-bola amin’ny findramam-bola
Nanao fanambarana iombonana ny fikambanan’ny banky eto Madagasikara (APB) omaly izay nampahafantatra ny mpanjifa fa, araka ny fepetra voalazan’ny lalàna laharana faha-2024-025 tamin’ny 18 desambra 2024 mikasika ny lalàn’ny tetibola ho an’ny taona 2025, dia hisy ny fampiharana ny hetra (TVA) amin’ny zana-bola amin’ny findramam-bola, amin’ny taha-20%.
Nanan-kery nanomboka tamin’ny volana janoary 2025 ity fepetra ity, fa mihatra manomboka ny 01 jolay 2025, ka hanan-kery amin’ireo findramam-bola nanomboka ny 01 janoary 2025. Nilaza moa ny APB fa mitohy hatrany ny dinidinika sy fifanarahana eo amin’ny GEM sy ny FIVMPAMA mba hahafana manohana bebe kokoa ireo mpindram-bola sy mpandraharaha, andry iankinan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara.
Ireo banky mivondrona ao amin’ny APB ireo moa dia nanentana ny mpanjifan’izy ireo mba hanatona ny banky misy azy ireo tsirairay avy raha toa ka manam-panontaniana mifandraika amin’izany fiovana izany.
Randriah.



