Songadim-baovaoToekarena
FINDRAMAM-BOLA AMIN’NY BANKY: Nanazava momba ilay Hetra 20% amin’ny zana-bola ny MEF
Fanazavana feno no nentin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, momba ilay vaovao mahabe resaka ny mpanara-baovao, dia ilay hetra 20% alaina amin’ny zana-bola amin’ny findramam-bola any amin’ny Banky. Nambaran’ny Minisitra tomponandraikitra omaly fa nanapa-kevitra ny hamerina ny hetra amin’ny zanabola amin’ny vola indramina amin’ny banky ny Fanjakana. Efa voafaritry ny Lalàna mifehy ny tetibola (LFI) 2025 io, ary notsindriany fa tsy hetra vaovao akory ity fa fanafoanana ny fanalefahana ara-ketra izay efa napetraka hatrizay ho fanohanana ara-toekarena.
“Tsy ny vola indramina mihitsy no hetraina fa ny zanabola avy amin’izany. Efa nisy foana ilay hetra 20%, saingy nisy fepetra fanamaivanana manokana teo aloha. Io no nesorina tamin’ny LFI 2025”, hoy ny minisitra. Ity fanapahan-kevitra ara-ketra ity dia tafiditra ao anatin’ny programa FEC (Facilité élargie de crédit) miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola iraisam-pirenena. Araka ny fanazavan’ny Tahirimbolam-pirenena, izay manome fanampiana ara-teknika amin’ny resaka hetra, dia nisy fandalinana nahitana fa mampiahiahy ny habetsahan’ny vola very amin’ny Fanjakana noho ny fanalefahana ara-ketra.
Ankehitriny, manodidina ny 3%-n’ny PIB izany vola very izany, izay natrehan’ny fanjakana latsaky ny 2 400 miliara Ariary tamin’ny taona 2024. Tafiditra ao amin’ny programa FEC ny adidy hampihenana an’io fandaniana ara-ketra io hatramin’ny 280 miliara Ariary isan-taona mandritra ny telo taona. “Tsy ny mpiara-miombon’antoka no mandidy hoe inona no esorina. Isika fanjakana no misafidy an’izay incitation fiscale hesorina, araka izay azo atao isan-taona”, hoy ny minisitra.
Tsy nokitihina ny Vary!
Raha ny antontan’isa dia 70%-n’ny fanalefahana ara-ketra dia avy amin’ny sehatry ny vary, vokatra tena iankinan’ny fiainan’ny Malagasy maro. Na dia nanoro hevitra aza ny mpiara-miombon’antoka sasany ny amin’ny famerenana hetra amin’ny vary sy rano, dia nofidin’ny Fanjakana ny tsy hikitika amin’ireo sehatra marefo ireo. “Tsy raisina amin’ny fomba tsotra ny fanapahan-kevitra ara-ketra. Nanapa-kevitra izahay ny tsy hikasika ny vary. Hiverina amin’ny hetra ny zanabola amin’ny vola indramina satria izany no hitanay mety indrindra, indrindra fa tsy nisy fahasamihafana hita loatra tamin’ny antontan’isa na nisy fanalefahana na tsia”, hoy hatrany ny minisitra. Nampirisika ny vahoaka ny minisitra mba ho tony amin’ny adihevitra satria tsy misy fanapahan-kevitra ara-ketra raisina amin’ny fomba tampoka sy irery, fa iaraha-mandinika amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. “Eo ambany fanaraha-mason’ny « gendarme financier international » isika amin’ny fitantanam-bola. Ny fanapahan-kevitra rehetra dia tafiditra ao anatin’ny drafitra mazava sy fandrindrana iaraha-manao. Tsy misy zavatra afenina, tsy misy fanapahan-kevitra tonga dia raisina fotsiny”, hoy izy.
Nanamafy moa ny minisitra fa efa nivoaka ara-dalàna ny lalàna, ary azo jerena amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Vola. Na izany aza, mbola atao anaty dinika ara-teknika ny fampiharana an’ilay fepetra, izay no mahatonga mbola tsy misy fanambarana ofisialy amin’izao fotoana izao.
Ny Fanoratana.




