PolitikaSongadim-baovao
FIOMANANA AMIN’NY FIFIDIANANA: Hifarana ny 15 Febroary izao ny fanitsiana ny lisi-pifidianana
4 andro sisa dia hifarana ny fisoratana anarana ao amin'ny lisi-pifidianana. Araka ny tetiandro efa napetraky ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), dia ny 15 Febroary izao no mifarana ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Afaka manamarina ny anarany efa anivon’ny fokontany ireo rehetra tsy mbola nahavita izany. Mbola fotoana ihany koa izao hahafahan’ireo tanora vao feno 18 taona miditra ao anatin’ny lisi-pifidianana.
Manana hatramin’ny 15 Febroary 2022 ireo olom-pirenena feno 18 taona no ho mihoatra hisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Tapitra amin’io tetiandro io ihany koa ny fe-potoana fanitsiana ny lisi-pifidianana izay tanterahin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) manerana ny Nosy. Isan’ny atao ao anatin’izany ny fanesorana ao anaty lisitra ireo nodimandry sy ireo nifindra monina, ary ireo olona nania teny anivon’ny fiarahamonina. Etsy ankilany, tombanana ho tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana vaovao ireo mpifidy vao nisoratra anarana sy ireo mponina vaovao eny anivon’ny Fokontany, ary ireo niverina nisitraka indray ny zony.
Amin’izao ankatoky ny famaranana ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izao, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène, nanaraha-maso ny fomba fiasa amin’ny fanaovana izany asa rehetra izany, tao amin’ny distrikan’Antananarivo fahadimy sy ny distrikan’Avaradrano. Tamin’izany ihany koa no nanadihadiana ireo olana misy eo anivon’ny “Commission éléctorale de district”. Namantatra ireo dingana efa vita ihany koa ny tenany. Raha ho an’ny distrikan’Antananarivo fahadimy manokana, dia mpifidy miisa 163 777 no voasoratra tanaty lisi-pifidianana niaingana tamin’ny volana desambra teo. Miisa 4 322 kosa ireo mpifidy vaovao, ka ny 3 544 amin’ireo no efa voarakitra ao anaty karine hatramin’ny 09 febroary teo.
Fitomboana hatramin’ny 3%…
Nohamafisin’ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène, fa ireo olona rehetra vao feno 18 taona dia tokony ho tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana avokoa. Ny fananana kara-panondro no hany tokana takina amin’ny olona. “Tsy misy olom-pirenena feno taona kanefa tsy tafiditra ao anaty lisitra, io no tanjona”, hoy ny fanambarana. Eo koa ny fisorohana ny anarana miverimberina. Nilaza ity tomponandraikitra ity fa tsy atao sakana tsy hanavaozana ny lisi-pifidianana ireo olana tsy azo ihodivirana misy eto amin’ny Firenena, toy ny takaitran’ny rivodoza sy ny valanaretina Covid-19. Ny tenany izay nitaona ihany koa ireo fiarahamonim-pirenena mba hidina hanaramaso ny asa atao rehetra.
Marihina fa mbola anaty asa tanteraka ireo rantsamangaikan’ny Ceni manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao. Mbola betsaka, araka izany, ireo vokatra no mbola tsy tafiditra anaty solosaina. Na izany aza, araka ny nambaran’ny Mpampakatenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika, dia tombanana ho hisy fiakarany hatrany amin’ny 2 na 3% eo ny isan’ny mpifidy, raha miainga amin’ny fahita tamin’ny fanavaozana isan-taona.
Zo sy adidy ny mifidy
Voalazan’ny lalàm-panorenena ao amin’ny andininy fahadimy fa ny vahoaka malagasy no tompom-pahefana ary manolotra izany amin’ny olona tendreny, amin’ny alalan’ny fifidianana. Ny lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka ihany koa dia manamafy izany, ary manazava fa mifampiankina sy tsy afa-misaraka ny maha zo sy ny maha adidy ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana sy ny fanaovana safidy amin’ny androm-pifidianana. Nanazava ny Filoha lefitra faharoa eo anivon’ny Ceni, Houssene Abdallah, fa ny andininy faharoa, andalana voalohany amin’ny lalàna fehizoro, mikasika ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka eto amintsika, dia milaza mazava fa ny zo hifidy dia eken’ny Lalàmpanorenana. Ny andininy faharoa amin’ny andalana faharoa amin’io lalàna io ihany dia milaza fa adidy ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana. Ny rehetra dia tsy afaka mampiasa ny zo maha mpifidy raha tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana, hoy izy.




