PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FIOMANANA AMIN’NY FISOKAFAN’NY SISIN-TANY : Efa mivory tsy tapaka ireo mpisehatra voakasika rehetra
Ho fiomanana amin’ny mety ho fisokafan’ny sisin-tany nambaran’ny Filoha tany Paris farany teo, dia efa manatanteraka fivoriana tsy tapaka ankehitriny ireo mpisehatra rehetra voakasika amin’izany. Minisitera dimy kosa no fantatra fa mitarika ny fanomanana. Anisan’ny sehatra voakasika manokana amin’ity fisokafan’ny sisin-tany ity ny lafiny fizahantany, ny fitaterana, ny fahasalamana, ny indostria sy ny varotra, ary ny fifandraisana iraisampirenena.
Nilaza ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpandraharaha tao Frantsa ny fiafaran’ny volana Aogositra teo fa « raha tsy mirongatra intsony ny valan’aretina Covid-19 sy ireo karazana variant avy amin’ity covid-19 ity dia ny Volana Oktobra 2021 no hisokatra ny sisintany malagasy ». Izany hoe, miankina tanteraka amin’ny zava-misy any amin’ny firenen-kafa, ny fanapahan-kevitra ny amin’ny mety hisokafan’ny sisintanintsika, na tsia. Na izany aza, efa mitodika mankany amin’izay fisokafan’ny sisin-tany ny fiomanana rehetra ataon’ny tomponandraikitra eto an-toerana ankehitriny. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiantranoana ny fivoriana voalohany (natrehana sy nampitain-davitra) mahakasika ny fisokafan’ny sisintany nataon’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny tetsy Anosy, ny alatsinainy teo. Ministera 5 no mitarika ny asa fiomanana rehetra, ahitana ny ministeran’ny Fitaterana, ny Fahasalamam-bahoaka, ny Raharaham-bahiny, ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana ary ny Fizahantany. Araka ny fampitam-baovao dia hosokafana amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo rafitra voakasika rehetra ny fivoriana manaraka, izay hitohy tsy tapaka manomboka izao.
Fanaovana vaksiny…
Tsiahivina fa ny Minisitry ny Fizahantany, Joel Randriamandranto dia efa namelabelatra ny paikady fiomanana amin’izay fisokafan’ny sisintany izay, nandritra ny diany tany Frantsa farany teo. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fanentanana, fametrahana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra, ny fampahafantarana ireo tolotra isankarazany eto amintsika mba hahazoana tsena, ary ny fanaovana Vaksiny. Raha ho an’ity farany manokana, dia azo ambara ho efa miroso ny ezaka ataon’I Madagasikara amin’ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ny Covid-19. Efa nomena toromarika manokana ihany koa ny hanamafisana ny fanaovam-baksiny any amin’ireo toerana maro mpitsidika, toa an’I Nosy Be sy Sainte Marie.
Etsy ankilan’izay, raha ny trangana Covid-19 eto amintsika no asian-teny dia efa tsy nahitana tranga vaovao intsony tato anatin’ny andro vitsy. Araka ny tenin’ny Filoha anefa dia tsy miankina amin’ny zava-misy eto amintsika ihany ny fandraisana fepetra fa miankina be dia be ihany koa amin’ny zava-misy maneran-tany. Andrasana, araka izany, izay fanapahan-kevitra horaisin’ny Fitondram-panjakana. Tsiahivina koa fa efa nisy ny antso nataon’ny Fanjakana nandritra ny REF 2021 farany tany Frantsa teo, izay niantso ireo mpandraharaha hampiasa vola eto amintsika. Mitaky fisokafan’ny sisin-tany anefa izany mba hampahomby ny varotra sy ny asa atao.



