Songadim-baovao
Fiompiana omby any Befandriana Avaratra : Mila mailo amin’ny famotsiana omby ataon’ireo olon-dratsy
Misedra olana ny tontolon’ny fiompiana omby amin’ny Faritra maro, noho ny resaka famotsiana omby. Isan’ny miady amin’izany ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Tranga iray niseho ny tao amin’ny Tsenan’ny Sabotsibe, Antanambola cité, kaominina ambanivohitra Befandriana Avaratra, ny 20 febroary lasa teo. Fanadihadiana…

Misedra olana ny tontolon’ny fiompiana omby amin’ny Faritra maro, noho ny resaka famotsiana omby. Isan’ny miady amin’izany ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Tranga iray niseho ny tao amin’ny Tsenan’ny Sabotsibe, Antanambola cité, kaominina ambanivohitra Befandriana Avaratra, ny 20 febroary lasa teo. Taorian’ny loharanom-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafaha-nisambotra ireo olona roa lahy voarohirohy amin’ity raharaha famotsiana omby ity. Mpivarotra omby, araka izany, no voasambotra. Ny antony fisamborana dia ny fampiasana taratasy fandoavan-ketra misoratra amin’olona iray, izay efa voatana am-ponja noho ny fivarotana omby halatra tao Marovoay, izay marihina fa ampahany tamin’izany omby nahavoarohirohy azy izany, ireto omby 12 tratra tamin’ireto roa lahy ireto. Ny taratasy filazana mahakasika ny omby na FIB dia misoratra feno amin’io olona, izay any am-ponja io. Tsy misy fanomezan-dalana nomena ireto farany hivarotra izany omby izany tao Befandriana Avaratra, nefa dia efa lafo ny efatra tamin’ireo omby 12 ary efa teny an-tanan’ny mpividy ny enina tamin’ireto omby ireto, izay eo am-panaovana taratasy no sarona izao. Nohazavain’ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana, kaomandin’ny kaompania ao Mandritsara fa « tsy misy ifandraisana na ny taratasy ampiasaina na ny fahafaha-mivarotra ny omby, kanefa dia izy mirahalahy ireo no manao ny taratasy fifampivarotana, izay marihina fa na ny sonia atao amin’izany dia sonian’ilay olona voatana am-ponja, miaraka amin’ny fitomboka ampiasaina.
Endrika isehoan’ny famotsiana omby…

Na ny taratasy fanomezan-dalana « passeport » na ny taratasy fameno ho an’ny fanomezan-dalana dia tsy tomombana araka ny tokony ho izy. Tsy misy laharana mazava, ary tsy misy fitomboka akory na iray aza. Izay tokony hifandraika ny voalazan’ny « passeport » sy ny « complement de passeport ». Ahiahina, araka izany, ny filazana fa mety tsy nandalo tany amin’ny manampahefana tany an-toerana izany na nandalo fa tsy araka ny tokony ho izy. Mahakasika ny kavin’omby na ny « boucle d’oreil » kosa indray, sady tsy mipetraka amin’ny toerana tokony hisy azy izy ireo no misy anankiray izay tsy mifanaraka amin’ny voalazan’ny FIB mihitsy, kanefa dia manana ambiny, izany hoe, mihoatra ny isan’ny omby ny isan’ireo kavin’omby ireo. Rehefa natao ny famotorana, nanambara ireo olona voasambotra fa tsy azy tokoa ny taratasy fa vola no ampiasainy ary nisy tokoa ireo omby halatra tratra niaraka tamin’ireo omby, izay tonga tao Befandriana ireo, ka nampigadra ity tompon’ny taratasy voalaza ity. Ireo omby ireo moa, dia nivoaka avy ao amin’ny kaominina Matsakabanja distrikan’i Mitsinjo.
Mety tsy ho araka ny Delege…

Nasongadin’ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana, kaomandin’ny kaompania Mandritsara fa « fomba entina hamotsiana omby halatra na « douteuse » ny toy izao satria fanaon’ireo mpanao taratasy sandoka ny manoratra anaran’olona, izay tsy eo akory na tsy misy akory aza. Iny olona iny no entina manao taratasy fifampivarotana ka hanaovana sonia sandoka. Rehefa mahazo « acte de vente » avy eo dia tsy misalasala ireo lehiben’ny boriborintany manome FIB ary dia voadio ny omby miova lalana tanteraka manomboka eo ». Nahitsy izy nilaza fa mety tsy ho araka ireo delege izany, ka dia hanaovana antso avo amin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny raharaha fivarotana omby, mba ho mailo amin’ny fanaraha-maso ahafaha-mamongotra ity tambajotran’ny famotsiana omby ity izay fanetriben’ny firenena.




