Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FIONDRANANA AN-TSOKOSOKO ANY KAOMORO: Teratany malagasy 10 sy Somaliana 14 miampy mpanamory vedety telo voasambotra
Manamafy ny ady amin’ny fiondranana an-tsokosoko ny fitondram-panjakana. Teratany malagasy sy somaliana 24 no sarona tao Nosy Ranja, ny herinandro lasa teo. Hamafisina araka izany, ny fiaraha-miasan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, entina hiadiana amin’ity fomba ratsy manimba ny firenena ity, araka ny dinik’asa notarihan’ny Praiminisitra…
Mpiondrana an-tsokosoko miisa 27 indray no saron’ny Zandarimariam-pirenena, ny alakamisy 25 jolay lasa teo, tany amin’ny Nosy Ranja. Ahitana malagasy 10 sy teratany Somaliana 14 izy ireo, miampy mpanamory vedety miisa telo. Ny alakamisy maraina izy ireo no fantatra fa saron’ny mpitandro filaminana, rehefa naharenesam-baovao fa hihazo ny Nosy Kaomoro. Ireo teratany Somaliana izay tsy maintsy niverina tany an-toerana taorian’ny fanaterana ireo teratany malagasy 10. Ireo teratany malagasy kosa, izay samy manana ny toerana niaviany avy sy ny olona nikarakara ny fiondranana an-tsokosoko izao. Misy avy ao Sambava, Vohemar, Antsiranana, Nosy-be, ary Mahajanga. Tao Mahajanga moa no toerana voalaza fa nanaovana fotoana nanangonana ireto mpiondrana an-tsokosoko. Ireo teratany Somaliana kosa indray, izay avy eto Antananarivo avokoa ny mpikarakara azy ireo, ary teto no niaingan’izy ireo. Tsy nahitana pasipaoro na karapanondro na taratasy hafa ireto farany mba hamantarana ny momba azy ireo. Rehefa natao ny famotorana ireo mpanamory, dia fantatra, fa nanao fitaterana manokana ireo olona ireo mba handeha ho any Nosy Ranja, any Nosy-be izy ireo, ary niainga ny talata 23 jolay tokony ho tamin’ny 03 ora maraina. Rehefa tonga tao Nosy Ranja, anefa izy ireo dia niteny ireo mpiondrana fa any afovoan-dranomasina indray no toerana hanaterana azy ireo. Tsy nanaiky izany anefa, ny Kaomandàn’ny vedety ka niantso ny tompon-tsambo, ary nilaza ny hiverenan’ny sambo, satria tsy araka izay nifanarahana. Teo no nahatrarana ireto mpiondrana an-tsokosoko ireto. Tokony ho tamin’ny 09 ora marain’ny 25 jolay io, dia nampidinina tao Ambalabao, fokontany Marovato, kaominina Ankaramy, ireo mpiondrana an-tsokosoko ary nasaina naka ny entany avy. Tanora avokoa ny ankamaroan’ireo mpiondrana antsokosoko voasambotra ireto, na Malagasy na teratany Somaliana. 16 taona no zandriny indrindra, raha 42 taona no zokiny indrindra, ary manodidina ny 23 ka hatramin’ny 26 taona ny maro amin’izy ireo. Nandray fepetra ny zandarimaria tao amin’ny faritra Sofia, izay nanatanteraka ny fanadihadiana, nanao andrimaso ireo olona voasambotra. Nisy ihany koa fampandrenesana natao tamin’ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Antsohihy, ny Prefe, ary ny Governoran’ny Faritra Sofia. Ny APMF ao Antsohihy sy Analalava. Nomena baiko ihany koa ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Antsohihy sy ireo Kaominina manamorona ny ranomasina hanamafy ny fanentanana ny mponina sy mpitatitra an-dranomasina mba samy hanamafy ny fisafoana ny sisin-dranomasina, ary ny fanetsehana ireo mpitandro filaminana manodidina.
Hamafisina ny fiaraha-miasan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny
Taorian’ny fahatrarana ireo mpiondrana an-tsokosoko ireto dia nisy avy hatrany dinik’asa manokana momba ny ady amion’ny fiondranana an-tsokosoko any Mayotte sy ny fanondranana tsy ara-dalàna ny dingadingana, izay notanterahin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tao Antsiranana, ny zoma 26 jolay teo. Nodinihina manokana tamin’izany ny momba ny trangana fiondranana antsokosoko atsy amin’ity Nosy iray ity, izay nahatrarana tranga maromaro teo aloha. Nivoitra tamin’izany, fa tokony hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hahafahana miady amin’ity fiondranana an-tsokosoko ity, hoy ny Praiminisitra. Eo ihany koa ny resaka fanondranana an-tsokosoko ny dingadingana (cocombre de mer). Hohamafisina araka izany, ny fanaraha-maso ity sehatra iray ity. Nanatrika ity fivoriana ity ny Minisitry ny raharaham-bahiny, sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ary ireo Solombavambahoaka miisa 04 voafidy tany amin’iny faritra Avaratra iny, ny loholon’Antsiranana, ary ireo tompon’andraikitry ny fibaikoana ireo hery fiarovana ao Antsiranana.
Stan R.



